Nicolas Dupuis – Tara 2 taona ny fomba fijeriny

Ny Valosoa

Mikatona ho an’ny Barean’i Madagasikara ny lalana mankany Cameroun, hanantanterahana ny CAN 2022, satria tsy naharesy ny mpilalao avy any Niger tao amin’ny Kianjan’i Barikadimy Toamasina tamin’ny Talata 30 Martsa 2021 teo. Nanome lalana ho antsika Malagasy ry zareo Ivoriana, satria dia nilalao tamin’ny fony tsy nisy tsikombakomba tamin’ny Ethiopiana, nandresy tamin’ny isa 3 no ho 1 ry zareo Ivoariana, na resy aza ny Ethiopiana dia tafakatra ihany satria tsy nahavaky atody ny Barea tany Toamasina.

Ny lalao roa farany nataon’ny Barea dia samy nahazoana vokatra ratsy avokoa, satria resy 4 sy donga tany Ethiopia ary nanao sahala teto an-tanindrazana, tsy tongatonga ho azy izany fahavoazana izany fa misy ny antony lehibe.

Can 2019

Tamin’ny Can 2019 tany Ejipta dia faly ery isika Malagasy fa nahazo fahombiazana, ka ny nampalahelo dia ny mpitondra sy ny mpanazatra no nomena ny dera sy ny voninahitra, kanefa ireo mpilalao no tena niady mafy teny ambony kianja.

Aoka tsy hohadinoina fa tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina no nahatafakatra antsika hiatrika ny Can 2019, kanefa dia zary tsy noresahina izany, fa ny “Merci Prezidà” nanindrahindrana an-dRajoelina no nahoraka, maro ny ezaka nataon’ny fitondrana notarihan’ny Filoha Rajaonarimampianina nahitana ny Minisitra Andriamosarisoa Jen Anicet, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra, sy ry Ramatoa Attalah Beatrice ary indrindra ny filohan’ny FMF voafidy ara-dalàna Rabekoto Arizaka Raoul. Mikasika an’Ingahy mpanazatra indray dia nanambitana izy satria ireo mpilalao nanatevin-daharana ny Barea dia mpilalao efa tsara hofana tany amin’ny Klioba izay nisy azy avy, ny tena marina izany dia tsy i Nicolas Dupuis no nampahay baolina an’ireo mpilalao isanisany, fa ny mpanazatra azy tany amin’ny kliobany. Ny hany nataon’Ingahy Dupuis dia ny nifantina sy nampiaraka azy ireo teny ambony kianja, izany hoe mpilalao efa samy mahay sy zatra ady no nampiakarina kianja, tsy mahagaga raha nahitana fahombiazana tamin’ny Can 2019.
Roa taona aty aoriana efa miha-antitra ireo mpilalao ary tsy ny heriny na ny fahaizany tamin’ny 2019 no mbola antenaina aty amin’ny 2021, saingy Ingahy Dupuis no tara roa taona ny fijeriny, izy rahateo tsy nahavita nanomana ireo mpandimby na dia efa nokaramaina volabe aza, dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokany.

Tokony hitsara tena i Dupuis

Volabe tsy toko tsy forohina no lany nanaramana an’i Nicolas Dupuis, tsy vitan’izany fa mbola volabe koa no nanafarana ireo mpilalao zokiny tsy nahitam-bokatra intsony ireo, izay azo lazaina hoe mpilalao efa lany daty, sanatria tsy fanarabiana azy ireo no ataontsika fa raha ny tokony ho izy, dia mendrika omena ny fankasitrahana sahaza azy ireo mpilalao zokiny ireo, satria tsy fahadisoana akory ny fahanterana, saingy ny mpanazatra mihitsy no fositra tsy nahay ny asany, sady tsy nahavita nanofana ireo tanora mpandimby.

Tokony ho nanome vokatra nahafapo i Nicolas Dupuis, satria nosandaina volabe ny asany, ny vokatra anefa dia aotra noho izany , sarotra sy manahirana ny hitaky famerimbola any aminy, fa raha mahatsapa tena izy dia tokony ho sahy hametra-pialana toy ireo mpanazatra tojo faharesena any ivelany any, kanefa raha ny vaovao mivoaka dia efa miomana ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny volana Jona indray ity vazaha tsy mamokatra intsony ity. Fantatr’ity menasofina ity tsara fa tsy manana fahasahiana hanolo azy ny mpitondra, dia lalaoviny amin’izay tiany anaovana azy.

Vao avy nanamarika ny 29 Martsa isika, izay fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny fanoherana ny vazaha, 74 taona aty aorian’ny 1947, mbola tsy sahy mandray andraikitra mampody izay vazaha tsy mahomby ny mpitondra eto amintsika, nohindrahindraina fatratra ny anaran’ny Filoha Ratsiraka izay nalevina ny 29 Martsa 2021, izay marihina fa ity Filoha vao nalevina ity dia tsy mikosomaso tamin’izay vazaha tsy nahay ny asany teto Madagasikara ary sahy nandray fepetra avy hatrany nampody izay nambotry antsika Malagasy.

Miakatra isan’andro ny isan’ireo tratran’ny koronaviriosy sy matin’io aretin-dratsy io, kanefa tsy araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny marary , tsy ampy ny entimanana kanefa volabe no lany tamin’ny baolina kitra, karamaina volabe efa mahavidy oksizena litara maromaro Ingahy Dupuis, ny vokany mitombo ny isan’ny maty, kanefa ny Barea tsy tafakatra akory.

Mila misafidy ny mpitondra: ka hanavotra ny ain’ny vahoaka malagasy ve sa mbola hikiribiby handany vola amin’ny mpanazatra mambotry ny Malagasy? tokony hatsahatra koa ny fandaniana amin’ny fananganana kianja izay tsy mahamaika noho ny fitsinjovana ny ain’ny vahoaka Malagasy, satria vola tsy toko tsy forohina no laniana amin’ireny kianja ireny, kanefa dia izay sisa tsy matin’ny aretina sisa no hisitraka ireny fotodrafitrasa natsangana tsy tamim-piheverana ireny.