HIHIBOKA SA TSY HIHIBOKA ?

Andrasana izay tetikady mazava,
Na koa ny vahaolana heverina ho maika.
Kinanjo taraiky amin’ny kobaka am-bava,
‘Nareo ‘zay mitondra ka dia tsy miraika!

Ny “mihiboka” tsy vahaolana intsony,
Satria efa be ny manohitra izany.
Kanefa dia inona no hampitony,
Sa tsisy afa-tsy io ‘lay tambavy io ihany?

Sahirana ireo izay mitondra marary,
Satria ny hopitaly aza efa mandà.
Saingy amboarina mafy, hatsaraina ny sary,
Fa efa voafehy, hono, ny corona!

Vakisiny aza mbola hisalasalana,
Satria tsy namokatra ilay nokasaina.
Mba menatra angamba ka hiova fitàna.
Dia inona indray izao no lainga holazaina?

Ny vava no betsaka sy lasa aloha,
Saingy tsisy tanteraka ireo nidedahana.
Amboary ny ketrikareo “ry be loha”
F’efa maizina antoandro ny lalan-kivoahana!

DADAN’i RIANA (31-03-21)