Covid-19 – RMDM – Mitaky ny mangarahara eo amin’ny Tetikasa Nasionaly mikasika ny Fanaovam-bakisiny

Hita taratra amin’ny serasera isan-karazany ataon’ny governemanta ny andraso-andraso mikasika ny fanaovam-bakisiny sy ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra hentitra ary ny hetsika haingana hanavotana ny vahoaka amin’ity valanaretina COVID-19 ity.

Izany andraso-andraso izany, izay mitovy amin’ny “fandavana an-kolaka”, dia azo antoka fa tsy mahasoa ny Vahoaka Malagasy iazy mbola mijaly noho ny fitavozavozan’ny mpitondra.

Ny RMDM dia manao antso avo ny governemanta hiroso haingana amin’ny fampiharana ireo dingana samihafa takiana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharanasa COVAX, hahafahan’ny firenena misitraka ny fahazoana vakisiny andiany voalohany arak’izay haingana indrindra, ary mitaky ny mangarahara amin’ny fandrafetana ny Tetikasa Nasionaly mikasika ny Fanaovam-bakisiny sy ny fampiasana ireo vakisiny hiadiana amin’ny COVID-19.