MPANOHITRA! MPANOHITRA!

Mamely indray ny corona ka efa an-jatony no lavo,
Saingy toa mitazam-potsiny ireo mitonona ho “favo”.
Mbola ilay tambavy hatrany no derainy tsy mitsahatra,
Na dia maro ireo nandà, tsy vitsy ireo tsy resy lahatra!

Ny fanaovam-bakisiny no malaza eran-tany,
Saingy ho an-dry “favo” kosa, mbola ny tambavy ihany!
Tratra aoriana hatrany hatrany ireo mpirehaka ho mpandresy,
Nefa hoe “ny lamasininy” anisan’ireo “be vitesy”.

Efa hita ry zalahy fa diso lera ka taraiky,
Saingy indreo manodin-dresaka ary dia tsy mety miaiky.
Ny mpanohitra hatrany no indro fa ilàny vaniny,
Nony injay fa may sy kila ny ao anatin’ny vilaniny!

Injao mirongatra ny aretina: “Mpanohitra no tsy madio”.
Tsy nahomby Barea: “Mpanohitra no ambadik’io”.
Hiverina ny fihibohana, mpanohitra no omena loza.
Ho potika ny firenena, miala bala indray ny foza!

DADAN’i RIANA (27-03-21)