Lavo ny andrarezina – Hoy izy ireo : momba an’i Gilbert Raharizatovo

Gilbert Raharizatovo

Lavo tamin’ity herinandro ity ny andrarezina eo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolo politika, Gilbert Raharizatovo. Mpanao gazety teo aloha tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM), sy ny Televiziona Malagasy (TVM) izy. Efa tonian-dahatsoratra tao amin’ny Radio Madagasikara i Gilbert Raharizatovo, na i Gilbert ho an’ireo namany akaiky azy. Efa talen’ny TVM izy. Teo amin’ny sehatra politika, nanangana ny fikambanana politika Vivre i Gilbert, tamin’ny tetezamita tamin’ny taona 2009, nanangana ny antoko politika RPM. Efa depioten’i Madagasikara teny Ambohimanarina Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra izy, efa ministry ny serasera sy ny kolontsaina. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Princie Ramanantsoavina (mpanao gazety Basy Vava)
Ndriiii… RIP Zoky Gilbert Raharizatovo. Tena betsaka ny fanoroana sy fampianarana azoko taminy… Tonga any an-trano mihitsy izy tamin’izany… Na hanazava zavatra na hanontany zavatra… indrindra moa fa somary taraiky ny fahavitan’ny zavatra ampanaoviny ahy… sokiriny any mihitsy… ndriiiiiii…

Olona mahalala ny ataony mihitsy izy iny… Tamin’izy minisitry ny serasera tamin’ny andron’ny tetezamita no nisamborana ahy sy Dada Evariste Ramanantsoavina tamin’ny 2009. Fa tena nananako alahelo mihitsy izy tamin’izany a! Tamin’ny 2011 izahay tafaraka tamin’ny fikarakarana ny fampodiana ny filoha Didier Ratsiraka teto Madagasikara, dia nohitsiako izy, dia nanazava… Nanomboka teo lasa nifanakaiky izahay mianadahy mianaka… Betsaka ny asa niarahana nanao, ny tetikasa niarahanay namolavola, izay nampivezivezy azy tany an-trano na andro alahady aza… Betsaka ny zavatra noraisiko sy nampihariko tamin’ny natorony… tsy ho raraka an-tany ireny rehetra ireny satria isan’ny naha-toy izao ahy eo amin’ny sehatr’ity asa fanaovan-gazety ity…

Real TV Madagasikara
« Lavo ny andrarezina. Toro vato nodiavina, folaka andry niankinana».
NY FIANAKAVIAMBEN’NY REAL TV MADAGASIKARA DIA MAMPAHAFANTATRA ANTSIKA NY FODIAMANDRIN’NY NAMANA GILBERT RAHARIZATOVO, Consultant REAL TV MADAGASIKARA. HISY ny TSIARO MANOKANA AZY NY ALAHADY 28 MARTSA HO AVY IZAO @ 8 ORA ALINA. Mirary Fiononana feno ho an’ny Vady aman-janany sy ny fianakaviany iray manontolo ny fianakaviamben’ny REAL TV Madagasikara.

Fah Andriamanarivo (mpanao gazety Matv Madagascar)
Mafy izy ity lehiretsy a…. ankona… Tsy maintsy ekena fa izay no lahatra. Mandria am-piadanana zoky Gilbert Raharizatovo. Misaotra tamin’ny fampianarana sy ny torohevitrao rehetra.

Penjy Randrianarisoa(ben’ny tanàna, mpanao gazety ACEEM Radio)
Raha ny resaka nifanaovanay farany, dia hivahiny ao amin’ny Aceem Radio izy ny alahady atoandro ho avy izao anatin’ny fandaharako Tsikaritra. Indrisy fa lasa ny zokibe Gilbert Raharizatovo. Mandria ampiadanana zoky be a!

Fidèle Razara Pierre(depiote, mpanao gazety Az Radio sy Tv)
Raha noharina tamin’ny hatsaram-bolamena ny feo teo @ haino aman-jery dia 24 carats ny azy, tsisy ady hevitra izany ary tombony lehibe @ fampivoarana ny fahaizamanao eo sehatry ny asa ny fananana zavatra mampiavaka… na dia malahelo aza dia sarotra ny manome tsiny an’Andriamanitra fa isaorana azy ny nanomezany antsika an’i zokibe Gilbert Raharizatovo, satria sekoly nanovozana fahalalana ny asa vitany … mirary fiononana feno ny fianakaviana… Rip zokibe.

Naina Rabearivony(mpanao gazety teo aloha RNM sy TVM)
VELOMA RA-GILB… Mpandalo tokoa isika eto. Taona maro no niarahan-tsika nihosina nanome aina ny sampana fampahalalam-baovao, na tao @ Rnm Anosy na tetsy @ Tvm Antaninarenina.. Natsiro sy nandratovam-pahalalana hatrany ny Confred isa-maraina.. niaraha-nizaka ny tsindry sy ramatahora nataon’ny mpitondra, fa rehareha niombonana koa ireo fandaharana novokarina namikiran’ny mpijery sy nihondanan’ny mpihaino toy ny Volan’ny maso tsy mba kilema, Imaso, ny Taxi-brousse nampiseho ny zava-misy tetsy @ morgue.. ny fiàinan’ireo voafonja tany Nosy-lava sy Tsiafahy sns… Mipetraka ho tantara ireny, fa soava-dia letsy Gilbert.. veloma any @ dry Sabine Rakotozafy, Eddie Andriamanoro, Seth Ratovoherison, Simonette Rasoampananina sns sns…

Mpanarivo Rakoto (mpanao gazety teo aloha tao amin’ny Midi Madagascar, monina any La Réunion amin’izao fotoana)
“Tsy manan-tsahala”. Ary dia tsy hanan-tsahala mihitsy fa mandria am-piadanana Zoky raiamandreny Gilbert Raharizatovo. Miara-ory @ fianakaviany, @ ny namana mpanao gazety ary ny ekipan’ny Real TV manontolo, lavo andrarezina.

Volaniaina Alessandro Alex(mpiserasera facebook)
Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny zokibe Gilbert Raharizatovo. Tena tohina ny fo. Ankoatry ny maha-mpanao gazety azy dia mpandinika ara-politika nanana ny naha-izy azy izany zoky izany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety noho izao fahalasanany izao. Aoka samy hitandrina. Samia tahian’ny Tompo.

Mbinintsoa Ranaivoson(mpanao gazety Fréquence Plus teo aloha)
Gilbert RAHARIZATOVO
Tranga 3 no isan’ny nanamarika ahy tamin’ny fifandraisana taminy :
1- Rehefa niova ny tompon’ny Fréquence Plus dia niantso ahy ho talen’ny famoahana, rehefa vonona fa hiverina amin’ny fomba ofisialy ny Radio dia nanatona an’i Gilbert Raharizatovo aho sy ny ekipako mba hanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharana politika Sy ny Vaovao tao amin’ny radio, satria izy no minisitra nisahana ny serasera tamin’izany. Faly izy ary namporisika amin’ny asa tadidiko ny teniny: “inona ny conception an’ialahy ao?” Dia novebelariko taminy ny momba ny fandaharana, hanao émission débat izahay hoy aho, notsiahiviny avy eo, fa izy no isan’ny journaliste voaloany nanao émission débat teto Madagasikara, “tsy mora io ry Zandry fa vitan’ialahy io” hoy izy. Dia tena tsy mora tokoa satria mafy izany misy manafika miaraka amin’ny basy eo am-panaovana émission débat izany, mba nikatsaka fandaminana ny tena, ka nampiakatra ireo solontena avy amin’ireo mouvances tamin’izany. Santionan’ilay Sedra nambaran’i zokibe Gilbert io. Rehefa nolazaiko azy ny fomba hitondrako sy ny ekipako ny Vaovao dia mety hoy izy. Ireharehako fa MBA isan’ny be mpanaraka ny vaovaonay, satria niavaka na ny endriny na ny votoatiny.
2/ Nanamarika ahy ny disadisa nisy teo aminay niainga tamina fandaharana natao izay noheverin’i Gilbert Raharizatovo, fa nanala baraka azy, tsy fahazoana resaka anefa ilay izy ka niala tsiny izy, iderako azy fa na minisitra aza izy tamin’izany dia nanana “humilité”. Izaho ihany koa moa rehefa hoe manana ny marina dia mijoro. Nitohy foana ny fifandraisana taorian’izay.
3/ Rehefa consultant tao amin’ny SKY ONE izy ny taona 2018 dia niantso ahy raha mazoto hiandraikitra ny fandaharana politika Sy ny Vaovao politika tao, nolaviko anefa rehefa nandeha ny resaka noho ny antony manokana, ni-comprendre izy na hitako ho nalahelo aza.
Farany, nanamarika ahy ny adi-hevitra momba ny raharam-pirenena rehefa mihaona aminy, resaka avo-lenta be, mila manakatra be ianao. Tiko ny fomba fanoratany “style de rédaction”. Mandria am-piadanana zokibe.