Filoha Ravalomanana – Manana traikefa manokana amin’ny firesahana amin’ny mpamatsy vola

Ny Valosoa

Nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita, nitohy tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fiarahamiasa tamin’ny mpamatsy vola iraisampirenena.

Tamin’ny fitondrana tetezamita notarihan-dRajoelina dia nihidy tanteraka ny fatsakana, satria fitondrana azo tamin’ny fampiasan-kery sy fanonganam-panjakana no nisy teto. Nony voafidy ho filoha indray Ingahy Rajaonarimampianina dia azo lazaina fa nisokatra ihany ny famatsiambola, saingy tsy ampy tsy nahavaha ny olan’ny vahoaka malagasy ny fanampiana azo, ny antony dia tsotra na dia efa nanaiky aza ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena fa fitondrana voafidy tamin’ny fomba demokratika no teo amin’ny fitondrana, dia mbola tena tsy feno ny fepetra satria mbola nisy ihany ny fisalasalana teo amin’ireo mpamatsy vola, satria ny Filoha Rajaonarimampianina dia minisitra nanana ny toerany tao anatin’ny fitondrana nanongam-panjakana, ambonin’izany koa dia fantatra fa nisy ny fitavozavozana teo amin’ny fifampiraharahana tamin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

Ilana hakingana sy fahamatorana ny firesahana amin’ny mpamatsy vola, izay no mampiavaka ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpitondra nifandimby, mahafantatra tsara izay andrasan’ny mpamatsy vola aminy ny Filoha Ravalomanana, ary manana fahasahiana mametraka ny mangarahara amin’izay tetikasa arosony, handresen-dahatra ireo mpamatsy vola. Ireo vahiny rahateo dia olona faran’izay fetsy, tsy vonona mihitsy handany vola amin’ny mpitondra fantany fa tsy hiasa ho an’ny vahoaka fa hameno paosy fotsiny izy ireo. Koa tsy nahagaga raha nitobaka ny fanampiana tamin’ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana, nisy aza ny fotoana nitenen’ny Filoha Ravalomanana hoe: « Ny vola misy fa ny ampiasana azy no manahirana ».

Ny fandaharana « Miara-manonja » nanasana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny alarobia 17 Martsa 2021 dia nampibaribary, fa havanana amin’ny firesahana amin’ny mpiara- miombon’antoka iraisampirenena ny Filoha Ravalomanana, satria mahafehy ireo fepetra rehetra takiana, dia ny fandrafetana tetikasa maharesy lahatra, voasoratra mazava ny hampiasana ny vola, tsy misy ny ankinafinafina, fa manjaka tanteraka ny mangarahara, vonona amin’ny fanarahamaso ny fandaniana raha ilaina.

Lafiny fahaizamanao sy fahamendrehana avokoa ireo voalaza ireo, fa ny goavana indrindra tsy azo adinoina dia talenta manokana ny fahaiza-miresaka amin’ny mpamatsy vola , ary voajanahary io talenta io, ny Filoha Ravalomanana hatramin’izao no mahafeno ireo fepetra ireo, ka tsy isalasalana ny ilazana etoana fa: kapoakan-dRavalo ny miresaka amin’ny mpamatsy vola, sy ny mifampiraharaha amin’ny vahiny amin’ny ankapobeny, manana traikefa manokana mahakasika izany ny filohan’ny antoko TIM sy ny RMDM.