ESORY NY EFA LANY DATY

Inona no mety hitranga raha sakafo lany daty
No atolotra hojifaina na dia lavin’ny lalàna?
Azo inoana fa hitondra poizi-mety mahafaty
Ny fihinanana an’ireny ka dia mendrika horaràna!

Fa tsy adala velively ireo nanisy “fe-potoana”
Sy nametraka an’izany tamin’ny zavatra hamidy.
Raha dila mantsy ireny, azo antoka sy inoana
F’efa ratsy ilay sakafo, mety ho lo na koa hangidy!

Ireo rehetra “lany daty” dia efa tokony havela.
(Raha sakafo dia ariana na koa dorana any ho any!)
Saingy misy ireo mikiry, mainka koa toa lava lela,
Sao angamba mba miverina ny androm-pahatanorany!

Sarisary toy izany izao no misy ka hevero,
Ny amin’ireo izay “lany daty” tia mamahatra eny ambony.
(Vao, tsy manitra ka asa! Tonta vao hamerovero?)
Efa lany tsiro ireny ka andeha re ajanòny!

DADAN’i ZINA (12-03-21)