Raharaha Arizaka Raoul Rabekoto – Fitondrana mahery an-tanàna fa tsy raharahian’ny any ivelany

Ny Valosoa

Novoizina mafy tamin’ny fampahalalambaovao tamin’ny taon-dasa volana Febroary, fa nomena “IST”, na “Interdiction de sortie de territoire ”na ” Tsy Fahazoandalana Mivoaka any ivelany “Andriamatoa Arizaka Raoul Rabekoto, filohan’ny FMF na Federasiona Malagasy amin’ny Baolina Kitra , kanefa dia tafavoaka soa amantsara any ivelany ary azo antoka, fa tsy nandeha borty, na lakana no fomba nialany teto, fa tokony tsy maintsy ho fiaramanidina. Ny dikan’izany dia tsy nahavita ny andraikiny ireo mpitandro filaminana mpiaro ny sisintany, na koa ireo mpitondra mihitsy no efa tsy to-teny amin’io sampandraharaha io.

Ny mpitondra dia nanangana rafitra petatoko hitantana ny baolina kitra eto amintsika, kanefa dia angady tsy mahatapakahitra eo amin’ny sehatra iraisampirenena, satria toy ny novakiam-baratra ny mpitondra eto amintsika, hatrany amin’ny filoha Rajoelina, raha nivoaka tamin’ny fahitalavitra, fa mbola Andriamatoa Arizaka Raoul Rabekoto ihany, no nandatsabato tamin’ny anaran’ny FMF tany Rabat (Maroc), nandritra ny fifidianana izay ho filohan’ny CAF, tsy noraharahian’ny CAF ilay rafitra petatoko sy ny filohan’izany, sy ny fanapahan-kevitry ny fitondrana Rajoelina. Ny dikan’izany dia tsy misy mihaino eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny mpitondra eto amintsika.

Nampiakapeo ihany koa ny mpitondra eto amintsika nilaza, fa tsy maintsy samborina koa hono Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, fa manalabaraka ny filoha sy ny fianakaviany, dia nambara fa efa nalefa ny fanenjehana azy eo amin’ny sehatra iraisampirenena, kanefa toa bala rora no betsaka fa milamina tsy misy mpanelingelina ity Ramatoa mpitsara ity any ivelany any , ireo mpiray fikambanana aminy aza vao tamin’ny alakamisy 11 Martsa 2021 teo, no nanatitra taratasy teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, nitaky ny fanafoanana ny fifidianana filohampirenena 2018, izany taratasy izany dia avy amin’ity ramatoa mpitsara Malagasy ity.

Ary ilay teratany malagasy antsoina hoe Marco Randrianisa dia nanaovana fanambarana, sy fanenjehana tsy misy valaka amin’ny nomena an’i Fanirisoa Ernaivo koa , kanefa dia toa tsy rototra akory Ingahy Marco ary nahasahy nilaza, fa tsy hiafina mihitsy ny tenany satria fantany tsara fa tsy hisy vazaha hisambotra azy izany.

Voaporofo izany fa manao fomban’akoholahy fataka ireo mpitondra, tsy hita izay hery fa ny vava no atao be, mampitahotra amin’ny filazana fa ampiasa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny ara-pitsarana amin’ny any ivelany hono, kanefa dia habobo avokoa izany rehetra izany, sady kely hery matoa tsy henoin’ny olona ary efa samy mahalala ankehitriny ny vahoaka Malagasy, fa “mahery an-tanàna”ny mpitondra fa basy tsy mipoaka any ivelany any.