Hetsika Miara-manonja – Ho eny amin’ny 13 mey amin’ny fotoana maha mety azy

Helisoa

Niato nandritra ny 2 andro ny fandaharana MIARA-MANONJA, noho ny fanatsaràna eo amin’ny fandraisana ny fandaharana ho ren’ny olom-pirenena eto an-tanindrazana, sy avy any ivelany, manerana izao tontolo izao. Na mbola tsy miverina ao anaty fahitalavitra mandeha satelita aza ny MBS amin’izao fotoana izao, noho ny hetraketraka mahazo ity fahitalavitra ity, izay ataon’ny fanjakàna aaminy dia tsy mitarain-tana mihepaka ny Miara-manonja, fa miezaka, mba hanaparitaka ny fandaharana amin’ny fomba rehetra, ary ho ren’ny olona rehetra. Ho fanatsaràna ny fandaharana dia tsy mianona amin’ny depiote fotsiny manomboka izao ny Miara-manonja, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, fa hisokatra amin’ny olom-pirenena rehetra, izay manana fotokevitry ny Miara-manonja. Eo ny mpanao politika, ny RMDM, ny Vondrona Panorama, ny sendika, olontsotra, ny fikambanana mahatsapa fa misy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, sns…

Ny Miara-manonja dia sehatra anehoan’ny olom-pirenena hevitra. Mbola eto aloha izao hoy ny solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa, fa hisy ny fotoana maha mety azy, handehanana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, satria eny izao hoy izy no tena Kianjan’ny Demokrasia. Mahakasika ny ady anatiny ao amin’ny fitondrana, nanambara ny depiote Todisoa, fa fampiadiana akoholahy no nafaran’ny fitondran-dRajoelina, adin’akohovavy anefa amin’izao fotoana, mahakasika ny ady eo amin’ny talen’ny serasera ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika Rinah Rakotomanga, sy ny ministry ny serasera Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy. Mahakasika ny fisokafan’ny Miara-manonja amin’ny olom-pirenena rehetra, ho vahiny ao amin’ny fandaharana anion y mpanolotsaina ny kamonina Antananarivo Renivohitra Clémence Raharinirina.