EDITO 13 Marsa – Fiainan’ny Malagasy: Maizina ho an’ny vahoaka fa mazava ho an’ireo mpiara-misaosy

Helisoa

77,4% ny vahoaka malagasy no miaina tanteraka ao anatin’ny fahasahiranana sy ny fahantrana amin’izao fotoana izao. Araka ny antontanisa navoakan’ny banky iraisampirenena ny faran’ny taona 2020 dia mihena ny volan’ny olona miditra isan-tokantrano, mitombo ny olona tsy an’asa, mitombo ny fanenjehana izay heverina fa mitarika fifandrafiana eo amin’ny firenena.

Re koa izao tamin’ity herinandro ity fa tafiditra eto amin’ny firenena ny valanaretina coronavirus karazany mahery vaika noho ilay hita teto an-toerana hatramin’izao. Ao anatin’izany, tsy misy hatreto ny mangaraharaha momba izany kanefa mahafaty ao anaty ny iray andro monja. Ny fanampiana avy amin’ireo mpiombon’antoka any ivelany mikasika ny vakisiny dia iavonavonan’ny fitondrana, fa ny CVO foana no ezahiny haroso mba tsy hahafaty antoka ny orinasa Pharmalagasy an’ny akamakama.

Tsy misy dikany amin’ity fitondrana Rajoelina ity ny fiainan’ny malagasy, indrindra moa ho an’izay tsy mitovy hevitra aminy, fa dia lasa fahavalo mihitsy. Manjaka ny jadona sy ramatahora, ampiasàny ny mpanao lalàna, ny mpiaro lalàna, ny mpampihatra lalàna, ataony fitaovana anafaizana an-dramalagasy. Dia tena tsy manan-tsafidy tokoa ve izy ireo mieritreritra fa manana fahefana, ka manatanteraka baiko an-jambany fotsiny? Miteny ny mpitondra hoe sakano ireo mpanohitra ireo dia manakana, ampitahory ireo dia mampitahotra, gadrao ireo dia managadra, vonoy ireo dia mamono, tifiro ireo dia mitifitra!

Maizina hatreto ny fiainan-dramalagasy noho ny asetrin’izao fitondrana izao. Misy mazava kely ihany ho an’ireo misolelaka sy ‘mpiara-misaosy’ kanefa dia samy eto Madagasikara ihany mivelona ao anaty ny firenena faran’ izay mahantra, mialoha ny farany indrindra eran-tany.

Soa fa misy ny mpitarika mijoro, mpitarika sahy, mpitarika vonona, tsy mitarain-tana-miepaka na inona midona na inona mihatra hiady sy hitolona mba hanjakan’ny demokrasia sy ny fahamarinana. Efa hiditra dingana vaovao indray izao ny mpanohitra taorian’iny tatitra nanetriketrika sy tontosa soa aman-tsara tamin’ny sabotsy 6 marsa iny. Taonan’ny fahasahiana ity taona 2021 ity ary mila mivondrona ireo olompirenena maniry hiala amin’izao maizina izao, ka hanana fanahy mahery sy mazava hikatsaka ny firenena vanona sy mandroso manomboka izao.