Tsy hiteraka fampandrosoana velively ny foto-drafitra sasany ataon’ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Ny tranga rehetra nandritra izay roa taona mahery, nitantanan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny Firenena dia manjavozavo sy tsy matotra ny fampandrosoana sy fanovàna nodradradradraina hatrany am-boalohany.

Raha ny marina dia tsy hiteraka fampandrosoana velively ny fotodrafitrasa sasany notokanana, na nametrahana « vato fototra » nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina amin’izao fotoana izao, satria tsy voarakitra na ao amin’ny IEM, na ao amin’ny Velirano misy tetikasa 13, na ao amin’ny PEM, na ao amin’ny Plan Marshall, na ao amin’ny PGE. Asongadina manokana amin’izany ny « Tanà Masoandro » teny Ambohitrimanjaka, izay fanapotehana tanimbary famokarana vary sy hanin-kotrana foto-tsakafon’ny mponina eny amin’ny manodidina. Na dia nafindra any amin’ny toeran-kafa aza ity tetikasan’ny fiadidian’ny Repoblika ity dia mbola tsy ankasitrahan’ny mponina any ihany koa. Eo koa ny « fly over » etsy Anosizato sy Ampasika, izay tsy hiteraka vahaolana velively eo amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, sy ny tsy fandriampahalemana iainan’ny mponina eto an-drenivohitra. Raha ny any amin’ny Faritra no asian-teny dia tsy nampiakatra ny vidina lavanila ho avo telo heny ny nitokanana ny « Tranoben’ny Lavanila » tany Andapa, Faritra SAVA, ny mifanohitra amin’izany no nitranga satria dia nampitotongana ho ny ampahatelony sisa ny vidin’ity vokatra fanondrana ity. Ny tany Atsimon’ny Nosy momba ilay fantson-drano izay tsy mbola hita izay niafarany hatramin’izao, satria ka dia « kere » no fiantraikany ary nitsoa-ponenana ny mponina. Ny ady amin’ny dahalo moa dia tsy mbola nampiasaina tany ny « drône » sy ny angidim-by izay nireharehana, fa hoentina miady amin’ny asan’ny malaso. Aty an-tanàn-dehibe no arantiranty ny fiara mifono vy sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika miaraka amin’ny herim-pamoretana, hampitahorana sy handrahonana ny mpanohitra, sy izay manao fihetsiketsehana (Paramed, Inspecteurs sy Controleurs de travail, mpianatra eny ambaratonga ambony) ho fitakiana ny zony.

Tsapa ihany koa fa fihetsehampo no manentana ny filohan’ny Repoblika amin’izay zavatra tiany ho tanterahina na dia tsy mifanaraka sy tsy mifanentana amin’ny zava-misy sy izay iainan’ny mpiray Firenena aza izany. Tsy hitondra vahaolana amin’ny fitateram-bahoaka ny hametrahana “téléphérique”, satria olona folo ihany no zakan’ny iray raha ny hita any ivelany ary mandeha amin’ny herinaratra ny fitaovana kanefa ny fahatapahan-jiro aza tsy ahitana fanafana hatramin’izao, na dia anisan’ny nolazaina fa laharam-pamehana aza. Lazaina amin’ny gazety fa miroso amin’ny fanatanterahana ny “velirano” ny filohan’ny Repoblika, asa raha anisan’izany ny “Gasy Car” sy ny “Phar Gasy” fa tsy mbola nahenoana feo izay vokatra nivoaka avy tao amin’ireo ozinina ireo hatreto.

Ny nanaitra ny mpanara-baovao rehetra ny nitokanan’ny filohan’ny Repoblika ny fotodrafitrasa “fampiadiana akoho” tany Avaratra tany. Fampandrosoana eo amin’ny sehatra inona no hahazo tombony avy amin’ity fotodrafitrasa ity? Ampahafirin’ny mponina any amin’ity tanàna ity no hampiady akoho ao ? Kolontsaina tokony ho kolokoloina eto Madagasikara ve ny fampiadiana akoho, ka ny filohan’ny Repoblika mihitsy no mandrisika ny mponina hanao izany ? Ny fanaovana fanorona etsy Antaninarenina no tokony hatao manara-penitra satria ity kilalao ity no anisan’ny Kolontsaina malagasy.

Rehefa atao ny tambatra dia tsy misy mihevitra izay hampandroso ny any ambanivohitra sy ny tantsaha valopolo isanjaton’ny mponina ny mpitondra, fa ny an-tanàn-dehibe hatrany no totofana izao karazan-javatra lazaina fa“manara-penitra” sy rendrarendra rehetra izao, mba hamiliviliana ny sainy. Ny fahoriana, hono, mahazaka maniraka; tsy hoe hangalatra, tsy hametsifetsy, tsy hambotry ny mpiray Firenena fa handray andraikitra kosa hanohitra ny tsy rariny sy hihoitra ialàna amin’ny tsindry hazo lena ny tena olom-pirenena tia tanindrazana.