Fandaharana Miara-manonja – Mijoro hatrany, 1 volana mahery aty aoriana

Ny Valosoa

1 volana mahery aty aoriana, mijoro hatrany ary mbola mandeha foana ny fandaharana Miara-manonja. Misy ny fomba fitenenana hoe: “tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.” Fanesoesoana: 6%, resy lava, famingavingana ny “Andriamanitray”, fandrangitana, fanagadragadrana, fanampenambava,… Mbola hitohy ela ve izao toetra mamoafady, tsy mendrika sy mahamenatra eto amin’ny firenena izao. Rah any tena marina tsy tokony ho eo amin’ny toerany intsony ny talen’ny serasera ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika Rinah Rakotomanga raha izay teniteny foana, sy zavatra fahatany nataony izay.

Nomeny iray volana ny Miara-manonja tamin’ny 10 febroary dia tsy hisy intsony, rehefa dila ny 1 volana. Iray volana katroka omaly, mbola mihaino Miara-manonja ny maro, ary vao mainka mitombo aza ny mpihaino tsy eto Antananarivo sy ny manodidina ihany, fa hatrany amin’ny faritra rehetra, eny manerana an’izao tontolo izao koa, noho ny teknôlôjia vaovaon’ny fifandraisana ankehitriny, na sakantsakanana sy notapahina mihitsy aza ny MBS tv tamin’ireo Tv satelita. Mbola eo tsara koa ireo mpitarika, mbola eo tsara ny fandaharana. Iny hita iny ny tatitra tamin’ny sabotsy teny amin’ny Magro Tanjombato. Ary mbola hitohy ny tolona ho fametrahana sy fampianarana an-dRajoelina sy ny mpitondra ny momba ny demokrasia, ny fahalalahana miteny, ny fahalalahana manohitra, ny fanajana ny zo fototra haneho hevitra.

Raha ny zava-misy izany hatramin’ny omaly i Rinah no resy. Resy tamin’ny filazana nataon’izy ireo. Ity Ramatoa ity arak’izany no tokony hiala amin’ny sehatra misy azy, fa tsy mitsahatra ny miteniteny foana, sy manaotao foana. Am-bava homana, am-po mierotra.