EDITO 11 Marsa – Sokajy L, S ary OSE amin’ny fampianarana – Tsy ampy fandinihana lalina ny fanavaozana entina ao anatiny

Radafy

Hafahafa ihany ny toe-javatra mitranga eo anivon’ny seha-pampianarana eto amin’ny firenena. Samy ianjadian’olana avokoa ireo mpisehatra iankinan’ny fampianarana: ny tompon-tsekoly, ny mpampianatra sy mpandraharaha, ny ray aman-dreny, ary ny mpianatra. Ny tomponandraikitra eny anivon’ny minisitera, etsy ankilany, mamoaka zavatra tsy ampy fanazavana sy fanentanana. Iray amin’izany ny fanavaozana entina amin’ny sokajy amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea, ka ny sokajy teo aloha nosoloana vaovao dia ny sokajy L , ny S, ary ny vaovao be dia ny OSE. Ireroa voalohany mety azonkazon’ny maro ihany, fa iry farany no mahasadaikatra azy.

Zavatra goavana no hotanterahina kanefa hita ho tsy ampy ny fanazavana. Tena mifanalavitra amin’ny sehatra hafa, izay andanian’ny fitondrana fotoana mihitsy ny fampielezana sy fampitana azy amin’ny haino vaky jery. Efa nifampidinihan’ireo mpisehatra rehetra ireo sy nifanarahan’izy ireo ve ity zava-baovao ity, sa fanapahan-kevitra avy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly eny anivon’ny minisitera ihany? Tena azo antoka ve fa io dia tena hanampy be ny mpianatra ho amin’ny fanomanana ny hoaviny?

Fanontaniana maro no mbola mipoitra amin’ny olom-pirenena maro, satria ny antony, tsy ampy ny fanazavana. Tsy fahaizana satria zava-dehibe miankina amin’ny hoavin’ny zaza Malagasy nefa tsy ampy ny fanazavana azy. Firifiry taona aza izay mbola marobe ireo tanora diso safidy amina sokajy, na nifidy ny sokajy heveriny ho mety aminy ihany amin’ny fanadinana, fa rehefa avy eo mikatso ihany ny fianarana, na safidy amin’ny asa atao aza tsy mifanaraka amin’ny mety amin’ny takatry ny sainy mbamin’ny fahaizana amam-pahalalany. Mainka fa ity sokajy vaovao ity, sao hampijabaka ny zana-bahoaka? Tsy lavina, mety hisy taranja mety amin’ny mpianatra sasany ao anatin’io, satria zava-teloloha no hita aminy. Mety hisy koa anefa tena hanahirana azy. Mandinika lalina izany ankehitriny ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly katolika, mialoha ny hampiharana na tsia azy. Maneho ny tsy fiaraha-midinika nisy tamin’ny fotoana nandraisana fanapahan-kevitra tamin’izao fanavaozana izao izany.

Tsy fotoana intsony izao anaovana andrankandrana amin’ny zavatra ampiharina eo amin’ny seha-pampianarana. Lasa “sorona” hatrany ny zana-bahoaka, fa ny zanaky ny mpitondra, ny manampahefana ambony sy ireo mpanefoefo tsy ao anatin’izany, satria ny azy alefany mandranto fianarana any ivelany. Tsy milamina izany toe-javatra izany.