EDITO 6 Marsa – Mpitondra miovaova hevitra, midika tsy fahaizan’asa

Sôh’son

Amin’ny fomba ahoana no azo ieritreretana, fa ny tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity dia hafa ny teniny androany, dia miova iny tsy tazoniny intsony afaka andro vitsy? Ahoana no andraisan’ny vahoaka azy sy itokisany azy amin’ny manaraka? Ary tsy midika ho tsy fahaizan’asa tsotra izao ve izany? Niseho izany tamin’ity herinandro ity, ary sakodiavatra ny maro nandre ny teny nambarany. Ny prefet-an’Analamanga io. Na iza na iza ihany koa no mikasa hanao hetsika, tsy misy afaka mandà fa vahoaka Malagasy ireo. Ireo anefa no miantoka ny karaman’ireto olom-panjakana mifehifehy azy sy miovaova hevitra lava ireto. N’inona n’inona adihevitra na fanazavana, tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny fientanam-pon’ny olona eo amin’ny fampandrosoana ity firenena ity izany. Asa, hatraiza ny fandehanan’alavitry ny sain’ny manam-pahefana isan-tokony avy eto amin’ity firenena ity rehefa miatrika fipoirana faniriam-bahoaka toy izao? Toy ny ankehitriny ihany no ifanotofona “tsentsemana” sao “handoro lamba”? Miantehitra amin’ny hazo boboka ve ity vahoaka Malagasy ity?

Ary tsy izy ihany, fa misy ihany koa ny tomponandraikitra tsy mitana ny teniny io, fa ny zavatra notoheriny fatratra tamin’izy tsy mbola teo amin’ny fitondrana, vavabe no nataony tamin’izany, ankehitriny toa iniana adinoina. Tsy hita ho izy no mitarika amin’izany ho amin’ny fanatanterahana azy eo anivon’ny fitondrana rehefa ao anatiny izy. Tsy nisy fiovàna ny fomba fiasan’ny fitondrana na tany amin’ny tetezamita, na ankehitriny. Mazava loatra, tsy niezaka nanatanteraka ny fitakiana nataony taloha izy, fa raha nataon’izy ireo izany, efa hita taratra ny fiovàna amin’izao fotoana izao. Porofo akaiky amin’izany, ny fampidirana am-ponja avy hatrany ny olona vao alaina am-bavany voalohany (miakatra parquet) amina raharaha mafampana eto amin’ny firenena, toa ireo nahazo ireo olona 12 nosamborina teny Analakely tamin’ny fotoana saika nanaovan’ireo dépiote Tim tatitra teo Ambohijatovo. Tranga maro niseho tamin’ny fotoan’andro tamin’ny tetezamita izany ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao, tsy misy fiovàna.

Inona no antenain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fitondrana izao raha toy izany no zava-mitranga. Tsy misy ny fiovàna, fa vao mainka aza tranga mampanahy lalina no miseho amin’izato toetran’ny tomponandraikitra mivadibadika. Ny irariana mafy dia tsy ho lasa leson-dratsy ho an’ny taranaka any aoriana toy ny efa naseho tao anatin’ny tetezamita izany.