EDITO 4 Marsa – Tsy avelantsika ho maty fanindroany ny kolonely Ratsimandrava

Ny Valosoa

Ny soratra hita eny amin’ny « fasan’ny maherifo » eny Avaratr’Ambohitsaina dia mivaky hoe : « Izay Maty ho an’ny tanindrazana dia Velona mandrakizay ao ampon’ny vahoaka ». Ny Kolonely Ratsimandrava dia tsy iadian-kevitra, fa tena maty ho an’ny tanindrazana tokoa, tsy vitan’izay ihany fa maty namela mamy ihany koa ho an’ny firenena.

Ratsimandrava minisitry ny atitany

Ny Kolonely Ratsimandrava no notendren’ny Jeneraly Ramanantsoa ho minisitra niadidy ny atitany tamin’ny 1972.

Niavaka tanteraka ny Kolonely satria izy no namerina ny rafitra fokonolona, izay mampandray anjara ny vahoaka eny ifotony amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Olon’ny fifanakalozan-kevitra ny Kolonely Ratsimandrava, satria izy irery no minisitra nahavita nitety an’i Madagasikara, nijery sy namaha ny olana nosedrain’ny vahoaka, nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny vahoaka izy ary nanome ny alaolana sahaza ny fahasahiranam-bahoaka , ny sasantsasany tamin’ireo fahavalompirenena dia nahavita nanaraby azy hoe “ministry ny alaolana”.

Tsy tokony ho adinoina ihany koa, fa tsy nisy ny sivana teo amin’ny fampahalalambaovao: Radio, Televiziona, Gazety an-tsoratra, fony izy no minisitry ny atitany.

Ratsimandrava komandin’ny zandarimariampirenena

Teratany vahiny no nifehy ny Zandarimariampirenena tamin’ny taona 1960 niverenan’ny fahaleovantena. Nanapakevitra ny Filoha Philibert Tsiranana nanendry tompon’andraikitra malagasy, ka ny Kapiteny Richard Ratsimandrava manamboninahitra tao amin’ny tafika malagasy no nalefa niofana tany amin’ny Sekoly ambony momba ny zandarimaria tany Melun (Frantsa), nony tafaverina an-tanindrazana izy dia notendrena ho Komandin’ny Zandarimariampirenena, ary niravaka ny galonan’ny Komandà.

Sarotiny tamin’ny fampiharana ny teny filamatry ny Zandarimariampirenena manao hoe “Tanindrazana sy Lalàna” ny Kolonely Ratsimandrava, narahiny sy nampihariny arabakiteny io teny filamatra io.

Tsy nohajaina ny soa navelan’ny kolonely Ratsimandrava

Ny 05 Febroary 2021, nahafeno 46 taona katroka ny nandraisan’ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana feno avy tany amin’ny Jeneraly Ramanantsoa, dia notapahan’ny mpitondra ny fahazoana ny MBS amin’ny Startimes, Canalplus, Parabole, izay midika ho fanaovana tsinontsinona ilay filoha niady mafy ho an’ny fahalalahan’ny asa fampahalalambaovao sy nanaiky ny sivana.

Ho an’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Zandarimariampirenena ankehitriny dia ny filoha ankehitriny, sy ny fahefany no heveriny hoe “tanindrazana”, satria io no arovana fatratra, mikasika ny hoe “lalàna” dia tsy misy ny fanajana izany, ny porofo mibaribary dia voalazan’ny lalàna ny fanaovan’ny Depiote tatitra ho an’ny vahoaka, kanefa dia ireo tompon’andraikitra mpifehy ny Zandary no ampiasaina misakana ny fanaovana tatitra.
Isaky ny 11 Febroary anefa dia tsy tapaka tonga mametraka fehezamboninkazo sy manao porizenitra eny Ambohijatovo ambony misy ny Tsangambato Ratsimandrava ireo lohandohany ao amin’ny Zandarimariampirenena, tonga teny koa ny Praiminisitra tamin’ity taona ity , kanefa toa fihetsika ivelany ihany izany, fa tsy arahina araka ny tokony ho izy, izay nahasaropiaro ny Kolonely Ratsimandrava.

Fa ny tena nahamenatra sy nampisitribelona dia ny tenin’ilay tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Zandarimariampirenena, izay sahy manevateva olona mivantana amin’ny Radio sy Televiziona manao hoe “tena olona dondrona”, mahamenatra ny toy izany satria tena tsy toetran’ny Kolonely Ratsimandrava izany.

Ny fifanakalozankevitra moa dia tsy misy intsony izao, fa dia fitaovampiadiana no avoaka, toa zary adino ilay fomba mendrikaja dia ny “alaolana” izany, ary ny rafitra fokonolona dia tsy misy hasiny satria na ny tambinkarama kelin’ireo mpiasan’ny fokontany aza zara raha voaloa.

Nodimandry ny Kolonely Ratsimandrava tamin’ny 11 Febroary 1975, kanefa tsy maty ao ampon’ny vahoaka ny zavabitany, saingy ny mampahonena dia ireo nantenaina hitondra ny faneva ao amin’ny Zandarimariampirenena no mandraraka ny ilo mby andoha, ka minia manazimbazimba izay nimatimatesan’ny kolonely, midika hoe famonoana azy fanindroany indray izany.

Feno 90 taona afaka andro vitsivitsy ny nahaterahan’ity tia tanindrazana Malagasy ity, satria ny 21 Martsa 1931 no teraka ny Kolonely Ratsimandrava, ka ny vahoaka leon’ny DJ(Didy Jadona ) dia hahatsiaro io vaninandro lehibe io amim-pahamendrehana, ka ny fandehanana mihaino ny tatitr’ireo Solombavambahoaka dia efa santatra amin’ny fanomezamboninahitra ny kolonely, f’ireo noheverina ho Ambatonamelankafatra, asa raha mbola ho vato misakana ihany amin’ny fahalalahan’ny vahoaka nahasaropiaro ny Kolonely Ratsimandrava.