Sabotsy 20 febroary teo, kihon-dalana iray nolalovan’ny firenena indray

Andry Tsiavalona

Kihon-dàlana iray nolalovan’ny Firenena indray ny sabotsy 20 febroary 2021 lasa teo, andro nikasan’ireo solombavambahoaka enina mianadahy, voafidy tao amin’ny boriboritany enina eto an-drenivohitra, nanao tatitra momba ny asan’ny Antenimierampirenena.

Tato anatin’ny dimy ambiroapolo volana nandraisan’izao fitondrana izao ny fahefana dia efa kihon-dàlana fahatelo, na fahaefatra ny tamin’iny sabotsy iny. Ny andro nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana ny 19 janoary 2019 dia niaraha-nahatadidy, fa tsy nisy Baiboly nametrahany tànana sy nanaovany izany fianianana izany kanefa dia tsy maintsy nisy izany tamin’ny andro nanaovan’ireo Filoham-pirenena rehetra nifandimby teo amin’ny Repoblika telo teo aloha. Tamin’iny andro iny ihany koa no nampisehoana voalohany ireo fitaovam-piadina mahery vaika, izay voalaza fa nampidirina antsokosoko teto. Kihon-dàlana iny andro iny satria toa nanambara sahady, fa ireo fanao (pratiques) raràn’ny Soratra Masina: fitiavan-tena, fankahalana ny rahalahy, kolikoly, halatra, fanaovana vavolombelona mandainga, tsy fahamarinana, sns,…dia tranga hita eto amin’ny Firenena avokoa taorian’iny andro iny. Tsy ny “fitiavana” intsony no lehibe indrindra, fa ny “velirano”, satria kapaina tsy hita fery, ka tsy fantatra hoe ny taiza ho aiza no novelesina ary na ny “vato fototra” aza toa lasa rano ihany koa.

Amin’izao fotoana izao dia manjaka tanteraka ny kolikoly sy ny halatra ary fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Miha-maro ireo nampidirina am-ponja noho ny fiampangana lainga na ny tondro molotra na ny famoronana dosie. Kihon-dàlana ihany koa ny nidiran’ny valanaretina covid-19 satria namboly hevi-dratsy teo amin’ny mpitondra, izay nanararaotra ny toe-javatra nandidy ny “hamehana ara-pahasalamana” nanitsakitsahana am-paladia ny lalàna fototra, ny Lalàmpanorenana ohatra, sy nangatahana fanampiana ara-bola avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka kanefa natao tari-drano ankilahila izany, ka ny very no betsaka. Ny fiahiana ara-tsosialy sy toekarena no nanomezan’ny vondrona iraisam-pirenena ny fanampiana, efa hiherina ny taona nidiran’ny valanaretina teto kanefa dia maro no tsy nisitraka ny zony nifandraika tamin’iny tranga iny, toa ny mpitsabo mpanampy. Tsy hadino koa ireo tranga nanafintohina teo amin’ny nampiasana ny vola fanampiana: “bonbons sucettes, “écrans plats”, ka nampisaoty ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ho an’itsy voalohany kanefa tsy voahozongozona kosa ny ministry ny atitany tamin’ny raharaha faharoa.

Kihon-dàlana iray nampivarahontsana ihany koa ny niverenan’ny “kere” tany Atsimon’ny Nosy na teo aza ny velirano hanaovana fantson-drano hiatrehana izany. Tsy nampiraika firy ny mpitondra anefa iny loza nihàtra tamin’ny mpiray Firenena iny kanefa nampisehoan’ny Malagasy kosa ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha- mizaka ny loza tahaka ireny. Kihon-dàlana iray lehibe tsy hay kosehina ao an-tsain’ny Malagasy ny raharaha volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Sambany tokoa lasa raharaham-pirenena ary nanaitra ny hambompon’ny vahoaka ity tranga ity noho ny fihetsiky ny mpitondra nampiahiahy izay nitady ny fomba rehetra nanafenana ny tena marina, sady nampiditra am-ponja ireo mpiasa ao amin’ny seranana, izay mety ho mpiray tsikombakomba, angamba, kanefa tsy ho afaka namoaka ity harem-pirenena ity raha ny fahefana ananany, fa azo antoka kosa fa misy tandapa ao andamosin’ity raharaha ity.

Mifanindry an-dàlana amin’ity raharaha ity ny fikasan’ny solombavambahoaka enina mianadahy nanao tatitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo tamin’ny sabotsy 20 febroary lasa teo. Niaraha-niaina fa tsy nisy nahazo niditra teto Antananarivo ny avy any amin’ny Faritany na avy any amin’ny Faritra. Ny teto an-tanàna moa dia tsy nisy afaka niditra tao afovoan’ny tanàna izay nihidy tanteraka toy ny tanàna maty ireny. Ny tena loza dia miaramila, zandary, polisy amin’arivony nilanja basy niampy fiara mifono vy no nanakana ny fivezivezen’ny olompirenena eto amin’ny Nosy. Mazava izao fa ny mpitondra ankehitriny no nanafatra ireny fitaovam-piadiana ireny satria tamin’ny andro nanaovan-dRajoelina Andry fianianana no nampirantiana azy voalohany, ary amin’izao fotoana dia entina iarovana ny mpitondra. Tsy vitan’izany fa heloka be vava ihany koa ny nanao akanjo miloko mena tamin’io andro io, ka folo mahery no voasambotra ary any am-ponja amin’izao fotoana izao.

Zo fototra ny maneho hevitra, zo fototra ny manao fihetsiketsehana kanefa toy ny mahazatra ny mpitondra ankehitriny folo taona lasa izay dia sady tapenam-bava ny vahoaka no hampihorohoroana ihany koa, mba tsy hihetsika. Hitelina “voa tsy manadino” izao zavatra iainany izao ny olompirenena tia ny Tanindrazany, ka hijoro hanohitra izao didy jadona tadiavin’ny mpitondra hampiharina izao.