Anio etsy Ambohijatovo, 6 Martsa eny Soamandrakizay – Sahy foana ny vahoaka

Ny Valosoa

Hetsiky ny mpanohitra, tsy kivy ny vahoaka fa mbola sahy foana. Tafapetraka ny alakamisy teo, eny amin’ny Préfet de Police Tsimbazaza ireo taratasy roa avy amin’ny mpanohitra : fangatahana fazahoan-dalana nalefan’ny RMDM momba ny fanehoan-kevitra eo amin’ny Kianjan’Amohijatovo anio sabotsy 27 Febroary 2021. Ny faha-2: fampahafantarana ny Préfet de Police, momba ny tatitra hataon’ireo Depiote TIM amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. Eny Soamandrakizay ny fotoana amin’ny heriny anio, sabotsy 6 martsa 2021.

Ireo taratasy napetraky ny mpanohitra eny amin’ny Préfet an’Antananarivo Tsimbazaza.

Ankoatra izany, misy ireo mpanaty rankena mamendrofendro vahoaka, sahy milaza fa faharesena hono ny tsy fahatanterahan’ny tatitra tokony ho nataon’ireo solombavambahoaka Tim teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey tamin’ny Sabotsy 20 Febroary 2021 lasa teo, ary manaraby amin’ny filazana hoe tsy nipoitra ireo mpitarika, namela ny vahoaka ho irery.

Tsy adala akory ny vahoaka ka ho azo fitahina amin’ny hevitra taingina toy izany, satria ireo vahoaka ireo anie ka saro-piaro amin’ny ain’ireo mpitarika, ka raha nisy ny tsy fahatongavan’ireo solombavambahoaka teny Analakely, dia samy mahatakatra ny antony ary samy mangina tsy mitady fanazavana. Ny herisetra nihàtra tamin’ny zanak’i Me Hanitra Razafimanantsoa, ny Sabotsy hariva teo dia efa ampy ampahazava ny tsy fahatongavan’ireo depiote 6 mianadahy.

Anio Sabotsy 27 Febroary 2021 indray dia hanao hetsika eny Ambohijatovo ny RMDM, izay efa nanohitra hatramin’izay ny fanovana ny Kianjan’Ambohijatovo ho “parc botanique”, nanamafy ny Pasitera Tsarahame Edouard Filoha Lefitra ao amin’ny RMDM , fa tsy misy dikany ny nametrahana ny sarivongan’ny Pr Zafy Albert tao Ambohijatovo raha mbola ho kianja voarara ny ao amin’ny zaridainan’ Ambohijatovo. Nisy ny fangatahana ara-dalàna natao amin’io hetsika anio io, izay efa fantatra fa ho fandavana no valiny ary hameno tanàna indray ireo mpitandro filaminana, sy ireo fitaovam-piadiana raitra dia raitra.

Raha tsy raikitra io rehefa avy eo io, dia efa miomana isika ho eny Soamandrakizay amin’ny heriny anio Sabotsy 6 Martsa 2021, azo antoka fa hiloko mena tanteraka ny kianja amin’io, satria Imerinkasinina any Avaradrano, 20 km eo miala an’Antananarivo aza tongan’ny olona, mainka fa ny etsy amin’ny Boriborintany fahadimy, hanao tsy omby aloha ny rehetra ho eny. Ny Préfet an’Antananarivo rahateo efa nanambara fa rariny ary mifanaraka amin’ny lalàna ny tatitra ataon’ireo solombavambahoka, ary Soamandrakizay hoy ity tompon’andraikitra ity dia mbola ao anatin’ny boriborintany fahadimy, ka dia azo antoka fa ny manampahefana toa an’Ingahy Préfet dia tsy hivadika amin’ny efa nambarany.

Malalaka tsara ny fotoana ifanentanantsika fa dia samia mandray andraikitra hanohitra ny DJ: Didy Jadona.