NY TATITRY NY SOLOMBAVA

Tatitry ny solombava, izany ve dia atahorana?
Izay ve dia hahatonga sakana sy fisamborana?
Mafy loatra ny misedra ilay fiarahana manonja,
Ka raha vao miakanjo mena dia aiditra any am-ponja?

Tatitry ny solombava, izany ve dia atahorana?
Izany ve dia “mampifezaka” anareo ry fozaorana?
Efa zatra ny midehaka sy mihoerahoera mantsy
Kanjo hay tsy mahatanty nony misy vely fantsy?

Hatramin’ny fampielezampeo no tsy nananana antra intsony,
Fa niharan-tsotasota noho ny baiko avy any ambony?
Fomba ambany toy izany no hany sisa aderadera,
F’efa mila tsy ho tanty ve ny kiana sy tsikera?

Hatramin’ireo izay mba nikasa ny ho aty an-drenivohitra,
Dia natao “sobika iray” fa hoe sokajin’ny mpanohitra?
Dia aiza izay fahalalahana sa dia resaka manidina,
Ho anareo manao fisainana toy ny an’ireo angidina?

Soa fa mbola hendry hatreto ny mpanohitra rey olona!
Raha tsy izany dia efa ratsy ny fandehan’ito tolona.
O! ry mpiaraka manonja, tsy hifarana eo ny dia
Fa mirosoa hatrany hatrany, momba anao ny Tompo tia!

DADAN’i ZINA (21-02-21)