Raharaham-pirenena – Tsy misy intsony ny Menalamba dia ny Mena akanjo indray no nenjehina

Ny Valosoa

Fomba fanaontsika eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao ny mampahatsiahy ny tantarampirenena, satria ilaina ny mahalala ny efa lasa ahafahana miatrika ny ankehitriny, sy mibanjina ny ho avy.

NY MOUVEMENT DEMOCRATIQUE POUR LA RENOVATION MALGACHE(MDRM)

Feno 75 taona katroka omaly ny nijoroan’ny “MDRM”, na “Mouvement Democratique pour la Renovation Malgache”, satria ny 22 Febroary 1946 no nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fitondrana frantsay ny naha ara-dalàna io antoko malagasy io.

Ireo teratany malagasy niasa sy nianatra tany Frantsa no nanangana ny “MDRM”, tsy iza ireo fa ny Dr Raseta Joseph Delphin, Dr Ravoahangy Andrianavalona Joseph, Dr Rakoto Ratsimamanga Albert, Andriamatoa isany Rabemananjara Jacques, Raherivelo Ramamonjy, Rabemananjara Raymond William, Andriamiseza mirahalahy, sns…

Vao vita ny ady lehibe faharoa (1939-1945) dia nifanaraka ireo firenen-dehibe, fa hanangana ny Firenena Mikambana, hametrahana ny fandriampahalemana manerantany, sady natsangana ihany koa ireo fikambanana samihafa miankina aminy, nisahana ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy toy ny Pnud, Bit , Onudi, Unesco, Unicef, Oms, Fnuap, sns… ny fijoroan’ireo rafitra isankarazany ireo no nanaitra ny sain’ireo tia tanindrazana malagasy nijoro tamin’izany, nieritreritra tamin’izay ny ho avin’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy, izay efa indroa miantoana no niady nanampy ny frantsay tamin’ny (1914-1918) sy (1939-1945). Tsinjon’ireo avara-pianarana malagasy nanangana ny “MDRM”, fa tsy maintsy havotsotra ireo zanatany rehetra, izay nanampy ireo firenen-dehibe tamin’ny ady, anisan’izany isika malagasy.

Ny tanjon’ny “MDRM” dia ny hangataka ny fahaleovantena tamin’ny alalan’ny fifampiresahana tsy misy herisetra. Ny 22 Febroary 1946 nivoahan’ny fankatoavana no ela, satria vetivety dia niely taty an-tanindrazana ny vaovao, ka nanao tsy omby aloha ireo malagasy vonona avy hatrany ho mpikambana tao amin’ny MDRM. Ny Dr Rakotonirainy Joseph no Sekretera Jeneraly nisahana ny fikarakarana ny antoko taty an-tanindrazana.
Niaraha-nahalala ny niafaran’ny MDRM, fa nopotehin’ny fitondrana frantsay, mbola horesahintsika eto amin’ny gazety izany amin’ny faramparan’ny volana Martsa.

NY MENALAMBA

Ny 22 Novambra 1895, efa tany teo ambany fiahian’ny frantsay i Madagasikara (Protectorat français), mbola teo amin’ny seza fiandrianana ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo, saingy tsy nanana fahefana intsony, fa efa ny frantsay no nibaiko teto amintsika, tsy nahatanty izany ireo tia tanindrazana toy ireo MENALAMBA tany Amboanana Arivonimamo, nanao hetsika nandroaka ireo vazaha izay efa azo antoka, fa tsy maintsy handroba ny tanindrazantsika, naharitra telo taona ny ady nataon’ny MENALAMBA, satria tsy nitsahatra ny hetsika raha tsy ny taona 1897. Ireo miaramila malagasy noporetin’ny mpitondra frantsay no nasaina nanao hazalambo an’ireo mpitolona MENALAMBA, nisy ny fandefasana sesitany ireo mpitarika MENALAMBA tatsy amin’ny Nosy La Reunion ary ireo mpitarika teto an-toerana dia noterena hifona tamin’ny mpitondra frantsay.

Na ny MDRM na ny MENALAMBA dia samy nanahirana ny mpitondra frantsay, ka tsy maintsy nampiasana hery, ka ireo miaramila malagasy nampian’ireo “Sonegaly nahazo baiko”, ireo miaramila tafrikana avy any amin’ireo firenena nozanahin’i Lafrantsa: Sénégal, Gabon, Mali, Tchad, Cameroun, Centrafique … no nantsoina hoe “Sonegaly nahazo baiko”, satria ireo manamboninahitra frantsay tsy dia nahatoky loatra an’ ireo miaramila malagasy, izay maro no tsy nety namono ny malagasy mitovy aminy.

Izay no zava-nisy tamin’ny andron’ny MDRM sy ny MENALAMBA, fa ny ankehitriny dia mampisitribelona ny nataon’ireo lazaina fa mpitondra, satria tamin’ny Sabotsy 20 Febroary 2021 teo dia mpitandro filaminana malagasy tena teratany malagasy no nasaina nisambotra ireo MENA AKANJO teny Analakely.