Tatitra ataon’ny depiote TIM ny sabotsy izao – Eo Ambohijatovo ihany, tsy misy ny fiovana

Helisoa

Raha ny fanambaràna nataon’ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly, izay voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany, Me Hanitra Razafimanatsoa dia tsy miova ny toerana hanaovana ny tatitra ny sabotsy izao, fa ao amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ihany, tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana. Nanamafy ity depiote ity, fa Boriboritany voalohany Ambohijatovo, ka ao no hisantarana ny toerana hanaovana tatitra. Avy eo hitohy any amin’ny boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra izany. Ny sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny jeneraly Richard Ravalomanana, no nanambara raha nanao tatitra tany an-toeran-kafa ireo depiote dia nolazainy tamin’izany, fa tokony any amin’ny toerana nahalany anareo no tokony hanao tatitra, fa tsy any amin’ny faritra hafa. Manaraka ny tenin’ny SEG izahay hoy ny depiote Me Hanitra, ka tsy tokony hisy ny fanakantsakanana, satria zon’ny solombavambahoaka ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka nifidy azy.

Mahakasika ny hoe hatao zaridaina bôtanika Ambohijatovo araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Vazahabe, mbola tsy nisy mpanolotsainan’ny tanàna nanapaka izany, fa raha ny tapaka tao anivon’ny mpanolotsaina farany aloha hatreto mahakasika ity zaridain’Ambohijato vo ity dia kianjan’ny demokrasia izany. Nanaonao foana indray izany ny kaominina sy ny ben’ny tanàna Vazahabe raha hanao ho zaridaina bôtakina io kianja io, satria tsy nahazo fankatoavana tamin’ny filan-kevitra monisipaly izany.

Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo satria misy dikany matoa natao ao ny tsangambaton’ny filoha Profesora Zafy Albert, natao ho kianja fanehoan-kevitra io kianja io. Ka na inona lazain’ny kaominina, nanamafy ny Miara-manonja, fa tsy misy fiovana ny tatitra ny sabotsy izao, fa ao Ambohijatovo. Hidorehitra mena sy hangorom-potsy indray izany ny kianjan’ ny demokrasia amin’io fotoana io. Ankoatra izany, ny mpitandro filaminana mpiaro vahoaka ny andraikiny, fa tsy mpidaroka vahoaka ka tsy hivaona amin’izay izy ireo.