Pasitera Edouard RMDM – Manamafy fa eny Ambohijatovo ny sabotsy izao

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpnao tetsy Bel’Air Ampandrana ny avy amin’ny RMDM afak’omaly, natarihan’ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara, Pasitera Edouard Tsarahame. Nambarany fa amin’ny maha mpanohitra azy ireo dia tsy misalasala izy ny milaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra amin’ny fitantanana ny firenena.

Miverin-dalana ny fampandrosoana ny fitantanana ity firenena ity ankehitriny hoy Pasitera, ny testamenta taloha indray no andehanantsika amin’izao fa novaina fotsiny ny anarany. Efa nisy izany “tsaky pop” izany taloha, fa novaina ho Kaly Tsinjo ankehitriny. Tamin’ny andron’ireo razambe taloha no nampiasana izany lava-drano izany, ankehitriny natao “forage” indray ny anarany. Ny taloha ihany izany no miverina, ka ny dikan’izany dia mihemotra tanteraka i Madagasikara amin’ny tsy fahaizana mitantan’ny fitondrana Rajoelina hoy ny RMDM. Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy izy ireo: mitsangàna ary mifohàza, manainga antsika ny sabotsy ho avy izao hoy izy hihaino ny tatitr’ireo solombavambahoaka eny Ambohijatovo. Aza atao biby fampitahorana ireo mpitandro fialaminana, fa an’ny vahoaka ireo ary ny vahoaka no mandoa ny karaman’izy ireo. Miantso ny mpitandro filamianana ihany koa izy, fa ny mpitondra dia mandalo, fa ny firenena no mitoetra.