Fitondrana Rajoelina – Matahotra ny marina hiseho dia manao fanakantsakanana

Andry Tsiavalona

Miha-mafy ny fitsikerana ataon’ny mpanohitra, momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena tsy mizotra amin’ny laoniny ataon’ny fitondrana, amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Efa ho taona iray izao dia tsy misy mangaraharaha ny nampiasana ireo vola fanampiana nomen’ny mpiara-miombon’antoka niatrehana ny covid-19. Raha manodidina ny eninjato tapitrisa dolara dia ny antsasany ihany no nanaovan’ny mpitondra tatitra ary ny ambiny dia tsy fantatra izay nampiasana azy, ka misy mihitsy ny sahy milaza fa lasa any am-paosin’ny mpitondra. Toa marina tokoa izany satria raha ny resaka mandeha dia nividy “jet privé” ny minisitry ny Fitantanam-bola sy Toekarena. Tsy mbola nisy nitsipaka ny tsy fahamarinan’izany aloha ny ao amin’ny fitondrana hatramin’izao.

Ny fanampiana ara-tsosialy isan-karazany nomena ny vahoaka aloha dia tsy nisy nandeha araka ny tokony ho izy satria na dia nirotsaka an-tsehatra mihitsy aza ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny minisitra sasany dia nimenomenona ny tokony ho nisitraka izany, satria maro no tsy nahazo kanefa nisy koa ny nahazo in-droa na in-telo. Tsy mazava ihany koa ny nampiasana ny tetibola nokantsanana tao amin’ny Antenimierandoholona nolazainy fa nalefa tany Atsimo nanampiana ireo mponina any tratry ny kere, satria efa ho amin’arivony no nifindra monina niakatra aty Antananarivo sy any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy.

Tsy azo afenina ihany koa ny raharaha “bonbons sucettes” sy ny “écrans plats”, izay nentina niatrehana ny covid-19 teo amin’ny sehatry ny fanabeazana, sy ny tao amin’ny minisiteran’ny Atitany. Amin’izao fotoana izao dia natosaka eny an-tsena ny “vary tsinjo” ary eny amin’ny faritra sasany eto an-drenivohitra ny “kaly tsinjo”. Manao “cantine scolaire” ihany koa hono ny fitondrana, ka ankizy mpianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fotototra any Atsimo any no misitraka sakafo isan’andro. Avy amin’ny vola nomen’ny mpiara-miombonantoka ve ireny ? Izay ny eo amin’ny sehatra ara-bola sy ara-tsosialy.

Raha ny sehatra politika no asian-teny dia tena tsy mahazaka ny fitsikerana sy fampisongadinana ny marina ataon’ny fandaharana “Miara-Manonja” ny mpitondra, ka miezaka manao fampihorohoroana amin’ny Filoha, Ravalomanana Marc, amin’ny fametrahana herim-pamoretana eo amin’ny arabe ampitan’ny trano fonenany. Etsy ankilany koa dia nantsoina teny Fiadanana ny mpiara-manentana ao amin’ity onjampeo ity, Ralaiseheno Guy Maxime sy ny minisitra teo aloha Ndrianjato. “Misitri-belona” hoy ny gazetin’ny mpitondra iray kanefa fomba fanaon’ny mpitolona izany rehefa henjehina satria hamoronana dosie izy, ka tsy maintsy miditra am-ponja amin’ny fotoana tsy voafetra raha vao mamaly ny fiantsoana. Efa nisy nanao izany ireo ao amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao tany tamin’ny fotoan’androny. Manaporofo izany ny raharaha Rolly Mercia izay ny hetsika teny Ambohipo no nisamborana azy kanefa nivadika ho fanodikodinam-bola tao amin’ny ORTM, sy fanalam-baraka ny mpandraharaha teratany Malagasy mpomba ny fitondrana ny raharaha, ary tsy nomena fahafahana vonjy maika izy na dia efa niverina tamin’ny teniny ilay tovolahy nanondro azy ho nanome vola ny mpanao fihetsiketsehena teny Ambohipo.

Nanao fampahafantarana ny préfet de police ireo solombavambahoaka enina mianadahy vofidy eto Antananarivo, fa hanao tatitra ho an’ny vahoaka eto, eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia, Ambohijatovo, ny sabotsy ho avy izao. Mikoropaka indray ny mpitondra manoloana izany, ka notakonana ny eny amin’ny ilany atsinanana ary nanambara mihitsy ny ben’ny tanàna fa tsy afaka mandray hetsika io kianja io. Nilaza hanao hetsika eo ihany koa ny mpanohana ny fitondrana, ka miendrika fihantsihana izany satria tsy nisy nikasa nanao hetsika tany amin’ny toerana nanaovany fambolen-kazo ny sabotsy lasa teo.

Tsapa arak’izany fa tsy vitan’ny mampihorohoro ihany izao fitondrana izao, fa tena manao fihantsiana mihitsy, ka asa izay hataon’ny mpitandro ny filaminana na hanao izay tsy hisian’ny fifandonana na hitohy hiaro ny mpanohana ny fitondrana. Ny matahotra ny marina hiseho no manao fanakantsakanana satria ny “marina ihany no mandratra” hoy ny olon-kendry.