EDITO 18 Febroary – Kianjan’ny demokrasia – Fantaro ny mahakasika an’Ambohijatovo

Ny Valosoa

Manana ny toerany io Kianjan’Ambohijatovo io satria nitrangan’ireo hetsika maro tamin’ny vanimpotoana samihafa.

Tamin’ny faramparan’ny Repoblika voalohany dia tao Ambohijatovo no nihaona ny Minisitry ny fampianarana Laurent Botokeky sy ireo mpianatra nitokona tamin’ny volana Aprily 1972.
Navadika ho kianja filalaovan’ny ankizy ny tao Ambohijatovo tamin’ny Repoblika faharoa, nisy hatramin’ny fitaingenana fiarandalamby kely ho an’ny ankizy, tsy dia naharitra anefa izany satria vetivety dia simba ny lalamby satria tsy nisy fikojakojana toy ny zava-drehetra tamin’ny Repoblika faharoa.

Niverina ho toerana famoriambahoaka indray Ambohijatovo, ka hita tao avokoa na fanehoan-kevitra politika, na fotoam-pivavahana na fampisehoana samihafa. Ny 17 Janoary 2009 dia nanapakevitra ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’izany, izay filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao Andry Rajoelina, fa ho « Kianjan’ny Demokrasia » Ambohijatovo ary izy Andry Rajoelina mihitsy no nitokana azy, sady niteny izy tamin’izany, fa ho kianja natao fanehoana hevitra tsy ilana fangatahana alalana any amin’ny Cua sy ny « préfecture de police » io kianja io. Indroa nampiasaina ihany anefa io kianja io dia ny 17 sy 24 Janoary 2009, satria nidina teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey indray ry Rajoelina nanomboka ny alatsinainy 26 Janoary 2009, dia teny Analakely no niainga ny hetsika fandoroana tanàna tamin’io Alatsinainy mainty io. Niaraha-nahalala fa niafara tamin’ny fialan’ ny Filoha Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny hetsik’ireo tsy matahotody.

Ny Sabotsy 21 Marsta 2009 dia teo Ambohijatovo no nanombohana ny hetsika nitakiana ny fodian’ny Filoha Ravalomanana, kinanjo taoriana kely dia navadiky ny mpitondra mpanongam-panjakana ho « kianja voarara » ilay nambara ho « kianjan’ny demokrasia ». Narovana mafy ary tsy azo namoriana olona intsony.

Ny 17 Janoary 2012 raha tonga nanatitra fehezamboninkazo tao amin’ny « kianjan’ny demokrasia » ny Filoha Zafy Albert mivady dia tsy navela niditra tao, fa teo amin’ny vavahady andrefana ny fehezam-boninkazo no napetraka ary napoaka ny baomba mandatsa-dranomaso, ka jenjina tao ny Filoha Zafy Albert mivady, izay ray amandreny efa valopolo taona mahery tamin’izany. Ny SEG amin’izao fotoana izao, ny jeneraly Richard Ravalomanana, no lehiben’ny Emmoreg tamin’izany, nanapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso.

Ny volana Oktobra tamin’ny taon-dasa dia nisy ny fametrahana ny tsangambato misy ny sarin’ny Pr Zafy Albert tao anatin’ny kianjan’Ambohijatovo, nahazo fankatoavana tamin’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izany tsangambato izany, izay midika hoe eken’ny mpitondra ankehitriny ny fahafahana maneho hevitra ao, satria ny Pr Zafy dia lohalaharana tamin’ny fandalana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Ny mampihomehy ankehitriny dia milaza indray Ingahy Ben’ny tanàna Vazahabe, fa ho « parc botanique » indray hono Ambohijatovo ary efa nanomboka nikarakara izany hono ny Cua tao anatin’ny andro vitsivitsy, kanefa dia tsy nandalo tao amin’ny filankevitry ny tanàna izany fanapahana izany, fa dia hevitra taingina fotsiny nataon’Ingahy Vazahabe isakanana ny tatitra ataon’ireo Depiote Tim voafidy teto an-drenivohitra.

Tsy hihemotra ireo solombavambahoaka ary ireo vahoaka koa vonon-kandroso satria voalazan’ny lalampanorenana, fa asan’ny Depiote ny manao tatitra ary ny vahoaka mpifidy manana zo hahazo tatitra , koa antenaina fa ho tonga hiaro ireo vahoaka, izay azo antoka fa hanao tsy omby aloha, ireo mpitandro filaminana, izay zana-bahoaka rahateo, hanome voninahitra ilay teny filamatra manao hoe : « hiaro ny vahoaka sy ny fananany ».

Sabotsy izany mifankahita e !