Depiote Todisoa Boriboritany faha-VI – Fahavalom-pirenena ireo mpitondra amin’izao fotoana

Stefa

Nandritra ny fandaharana Miara-manonja dia namaritra ny antsoina hoe: fahavalom-pirenena ny depioten’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-VI Antananarivo Renivohitra, Todisoa Andriamampandry.

Tamin’izany no nilazany, fa ireo mpitondra amin’izao fotoana no tena fahavalom-pirenena. Fahavalom-pirenena hoy izy ny lany andro amin’ny fanenjehana sy famaliana ny mpanohitra ataon’ny mpitondra fanjakana, fa tsy ny andraikitra tokony ho sahaniny, sy izay mahasoa ny vahoaka no jereny. Mampiseho ny tsy fahafaliana daholo ny olona sy sampana maro, toy ny mpianatra, ny paramed, ny sendika maro, ny mpitondra kalesa, ny mpivarotra amoron-dalana. Ary rehefa mba misolo vava an’ireo ny mpanohitra dia lazaina fa mpandainga sy mpanakorontana. Misy mihitsy àry ny depiote mpisolelaka milaza fa ny mpanohitra no fahavalom-pirenena.

Ka aleo faritana mazava ny atao hoe fahavalom-pirenena hoy ny depiote Todisoa:
– ny fahavalom-pirenena dia izay manondrana antsokosoko ny harem-pirenena,
– ny fahavalom-pirenena dia mampidangana ny vidim-piainana, hany ka zara raha mihinana ny vahoaka,
– ny fahavalom-pirenena dia izay mpitondra tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany, tsy mahatohitra ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo,
– ny fahavalom-pirenena dia tsy manome rano fisotro madio, sy mampisy ny kere eto amin’ny firenena,
– ny fahavalom-pirenena dia izay mpitondra tsy mampisy ny jiro, tsy mahafehy ny delestazy,
– ny fahavalom-pirenena dia izay mpitondra tsy manome asa ho an’ny olona,
– ny fahavalom-pirenena dia izay mpitondra tsy mamela malalaka ny fanehoan-kevitra.

Iza daholo no manao izany? Zavatra hita maso no resahina fa tsy foronina. Tsy ny mpanohitra no manao ireo zavatra voatanisa ireo, fa ny mpitondra tarihan’ny filoha Rajoelina hoy izy.