Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) – Avy amin’ny vahoaka ny fahefana ary azon’ny vahoaka alaina

Ny sasany avy amin’ny HMF, na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.

Isambilo

Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa izao ny HMF, na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, izay fikambanana anisan’ny niharan’ny antsojain-dRajoelina nandritra ny fitondrana tetezamita nitondrany.

Nisy ny fanambarana nataon’ny HMF : « Hamafisainay fa zon’ny vahoaka ny mitsikera ny mpitondra ary tenin’ny Filoham-pirenena amin’izao, raha nanontany azy ny RFI tamin’ny 2009, fa “avy amin’ny vahoaka ny fahefana ary azon’ny vahoaka alaina”. Acte politique ny fandraràna ny olona tsy hihetsika, fa tena asan’ny mpitandro ny filaminana ny fiarovana ny fandriampahalemana.

Tsy mbola lany andro ny fidinana an-dalambe rehefa hitan’ny vahoaka, fa mandiso fanantenana azy ny olona nofidiany ary zony feno izany. Efa lany andro kosa ary mamoafady ny maniraka ny olona handroba “fananam-bahoaka “, na “fananan’olon-tsotra”, mba handrombahana fahafena toy ny nataon’ny mpitondra ankehitriny tamin’ny taona 2009.

2021 tsy toy ny tamin’ny 2009, manga lo no misy amin’izao fotoana, ary rehefa lo izay ny manga dia hilatsaka ho azy, toy izay ny fitondrana Rajoelina ankehitriny, na inona lazain’ireo mpomba azy na inona, hikohonahany toy ny ranovola tra-maraina io!…