11 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Taratasin’ny mpamaky angatahina havoaka eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao, mitaraina mafy izahay ray aman-drenin’ny mpianatra.

Navoaka tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany ny datim-panadinam-panjakana CEPE-BEPC-BAC taona 2021, rehefa notabatabaina teto amin’ny gazety ny hamoahana izany satria dia efa hisasaka indray ny telovolana faharoa nefa mbola saika tsy navoaka
ihany izany.

Marihinay hatrany fa tany am-piandohan’ny taon-tsekoly dia efa tokony ho navoaka izany raha lazaina fa mba manana traikefa ihany ny minisitra sy ny ekipany. Tsorinay fa tena mahantra ny ankamaroanay ray aman-drenin’ny mpianatra, koa mangataka ihany koa ny mbola hanamafisanareo, fa tsy andoavam-bola ny fiatrehana ny CEPE sy BEPC.

Mamoron-kevitra foana mantsy ny talen’ny CEG sy EPP raha vao tsy hamafisinareo io ary hilaza indray izy ireo, fa tsy maintsy misy sara aloa, fa hafa ilay tsy andoavam-bola lazain’ny fanjakana.

Miangavy koa izahay ny tsy hampandoavam-bola ny mpianatra manao visite medicale mialohan’ny fanadinana any amin’ny CSB2, satria tena mahantra izahay ary asan’ireny toeram-pitsaboana ireny ny fitsirihana ny fahasalaman’ny mpianatra fa tsy hoe zava-baovao fanampiny, indrindra amin’izao fielezan’ny aretina CORONA izao. Angatahinay koa ny tsy handoavan’ny zanakay vola raha mangataka dispense amin’ny EPS satria dia tena mihoa-pampana ny vola alain’ny dokoteram-panjakana fa manodidina ny 12000 Ar, ka hatramin’ny 40000 Ar izany. Aiza no hahitanay izany, ny saram-pianarana aza tsy voaloa. Nefa anie dia taratasy tsotra fanamarihana fa tsy manao EPS ny mpianatra iray noho ny tsy fahasalamany. Izany ve dia vidiana hatramin’ny 4 alina eny amin’ny dokoteram-panjakana?

Angatahinay koa mba tena hoferana ny vola alaina amin’ny examen blanc isaky ny CISCO na ZAP, ka tsy hihoatra ny 1000 Ar izany amin’izao fotoan-tsarotra tena iainan’ny vahoaka anaty fahantrana izao. Matetika dia ataon’ny ZAP na CISCO fahazoam-bola mantsy ireny, ka 1500 Ar hatramin’ny 2000 Ar no takiany na dia mba mahay kajy ihany aza izahay, fa tsy mihoatry ny 600 Ar ny sara mety ho lany isaky ny mpianatra amin’ny fanodinana ireny laza adina ireny.

Fanampin’izany dia ankahalaina sy anaovana antsojay ny sekoly ianaran’ny zanakay rehefa vitsy ny ray aman-dreny mandoa ny sara amin’izany examen blanc izany. Manantena izahay, fa tsy ny ray aman-dreny efa mahantra fadiranovana indray no mbola ataon’ny
fanjakana fitaovana hahazoana vola amin’ny fomba tsy dia mendrika loatra.

RANDRIANOELIARISOA
Raiamandrenin’ny mpianatra ITAOSY 102.