EDITO 11 Febroary – Krizy politika misy – Izao no vokatry ny tsy nitondrana amin’ny lala-mahitsy ny firenena

Sôh’son

Mizotra mankany amin’ny hafanana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao, miseho lany ny krizy politika. Ny zava-niseho tamin’ny sabotsy 6 febroary lasa teo no tena niha-nisongadinan’izany rehefa naneho fihetsika tsy amim-pahendrena ny manam-pahefana nirahin’ny fitondram-panjakana.

Vao mainka nitombo izany maripanan’ny toe-draharaha izany niditra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, tamin’ireo zava-nitranga samihafa izay vokatry ny nataon’ny fitondram-panjakana ihany. Na ny nanaovana ny olon’ny miara-manonja, na ireo anisan’ny andry iankinan’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, ireo paramedy; ny manjo ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo na eto Antananarivo na ny any amin’ny faritra. Manginy fotsiny ny tsy fahitana vahaolana momba ireo mpivarotra amin’ny kalesa izay ailika fotsiny, fa tsy misy setriny fitsinjovana azy ireo, ny olam-bahoaka ara-tsosialy sy ny fahantrana lalina, ny fahasahiranana andavanandro, sns… Endriky ny tsy fahaiza-mitondra firenena izany raha aravona, satria azo nosorohina tsara avokoa izany rehetra izany tsy hitranga raha tena mpitondra mahay sy manam-pahendrena marina.

Manamboamboatra endrika ihatsarambelatsihy amin’ny vahoaka no anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpitondra ankehitriny. Ambara avokoa izao teny mampandry adrisa rehetra izao, sy hanaratsiana ny mpanohitra sy izay olom-pirenena tsy mitovy hevitra aminy. Fa maro an’isa ahoana moa no nifidy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana? Raha olona tena demôkraty dia tsy hiteny izany raha ny zava-nisy teto amin’ny firenena tamin’ireny fotoam-pifidianana ireny. Ny isan’ny mpifidy eto Madagasikara, raha ny voasoratra anarana fotsiny, dia tsy misy afa-tsy iray ampahatelon’ny vahoaka Malagasy manontolo. Ny ambara ho nifidy tamin’ireny fotoana ireny aza anefa dia mbola eo amin’ny antsasak’izay na latsaka aza. Ary ny nifidy an’i Andry Rajoelina dia tsy nisy afa-tsy iray amapahafolon’ny vahoaka Malagasy. Izany aza mbola adihevitra be ankehitriny satria voaporofo ny fisian’ny “doublon”, izay maneho tsy fahamarinan’ny fifidianana. Tsy mitombona araka izany ny nahavoafidy azy, fa dia noteren’ny Hcc fotsiny ho marina ary dia voatery manaiky ny rehetra. Fanapahan-kevitra diso lalana ihany izany anefa, satria iaraha-mahita izao ny fandehan-draharaha sy fiainan’ny firenena. Ho voarakitry ny tantara izany fanapahan-kevitra nampibiroka lalana ny firenena izany sy ireo olona tomponandraikitra tamin’izany.

Tsy ho tonga amin’izao misy ny fiainam-pirenena izao ny raharaha raha nandeha amim-pahamarinana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny nifehy ny fifidianana, ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana (HCC), ary ireo nihevi-tena ho mpandresy sahady na dia mbola tsy nisy akory aza ny fifidianana, izay nampieritreritra ny mpandinika maro io. Ny firenena tsy entina am-pahamarinana dia izao no vokany, izao iaraha-mahita sy miaina izao. Raha tsy mitoetra ny marina, ny rariny sy hitsiny eto dia hihodinkodina fotsiny eto ny firenena fa tsy hisy fivoarany.