EDITO 4 Febroary – Mpitondra zatra lalan-dratsy tsy mahasoa firenena no misy eto

Sôh’son

Fitondrana ratsy fototra ity fitondrana ankehitriny ity, satria voalaza fa tsy tomombana ara-dalàna ny nahalany azy tamin’ny fifidianana. Nanao fanadihadiana momba izany ireo loholon’i Madagasikara teo aloha ary hitany ny amin’ny fisian’ny « doublon » tamin’ny fifidianana. Nandefitra be dia be tamin’izany ny filoha Marc Ravalomanana, mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Fahendrena lehibe izany ary maneho fitiavan-tanindrazana sy hambonian-tsaina, na ezahin’ny ekipan’ny mpitondran ankehitriny lotoina sy hosoram-potaka aza izy. Tsy atao hahagaga izany toe-tsain’ireo mpandoto azy ireo izany.

Ny fitondrana ankehitriny dia mampihitsoka ny firenena ao anaty tsy fahamarinana. Porofo iray mitohoka amin’ny tendany ny amin’ny nandraràna ireo vondron’olona niezaka nampahafantatra ny marina tamin’iny fifidianana filoham-pirenena iny, sy nandraofana ny fitaovana nampiasaina teny anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Niaraha-nahita izany. Mbola niharihary izany tamin’ny fanilihana ny tomponandraikitra iray teo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana, na Ceni, raha nanambara ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana, sy ny fisian’io resaka “doublon” io. Misy marina afenina izany ho an’ny olom-pirenena. Vao mainka nahakivy ireto farany ny fihetsika sy fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ka nampalaza ilay fitenenany hoe “azo raisina fa tsy mitombona”. Tsy tonga amin’izao toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena ankehitriny izao ny raharaha, raha nandeha amin’ny rariny sy hitsiny tokoa io Andrimpanjakana iray lehibe io.

Narirarira mandraka ankehitriny ary odian-tsy hita tanterahina ny amin’ny anjara toeran’ny antoko mpanohitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena hatramin’ny naha teo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny, na dia mazava ny voasoratra amin’ny lalàna. Tsy mandeha amin’ny fahamarinana izany. Santionany amin’ny lafiny politika io, fa miharihary ihany koa izany amin’ny lafiny ara-tsosialy. Misy olom-pirenena sy fianakaviana, na tokantrano ailika fotsiny izao tsy hivakiana loha ny fitsinjovana azy ireo, kanefa etsy ankilany dia misy tolorana mandrakariva tsy tapaka hatramin’izao. Tsy rariny sy tsy fahamarinana ihany koa izany n’inona n’inona fanazavana.

Mahavariana ny fihetsiky ny eo anivon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mampahatsiahy ilay fitenenana hoe: “ny mpanao ratsy ihany no mahina”, ny kisarisary misy eto amin’ny firenena. Ny fototra ratsy niaingàna ve azo antenaina hamoaka zavatra tsara? Sarotra inoana izany. Ny marina tsy mba maty, na ezahina totofana amin’ny teny tsara lahatra aza, ary ny tantara ezahina amboamboarina hanafenana ny marina tsy ho lasa lavitra, fa vao mainka aza hanimba firenena.