Fitsangatsanganan’ny Miara-manonja – Marobe ireo ho tonga, ho avy maro ny any amin’ny faritra

Isambilo

Mizotra tsara araka ny tokony ho izy amin’izao fotoana ny fikarakarana ny fitsangatsanganana, izay karakarain’ny Miara-manonja amin’ny sabotsy 6 febroary 2021 ho avy izao.

Marobe ireo efa naka ny badge hahafahana mandeha amin’izao fitsangatsanganana sy fialamboly izao, amin’ny faran’ny herinandro izao io. Maro toy izany koa ireo nanjifa ny akanjo polo miloko mena ho amin’izany. Tsy voatery hividy izany anefa ny rehetra, fa arakaraky ny fahefa-mividy io, fa tokony hiakanjo mena fotsiny rehefa tonga io fotoana nandrasana io.

Araka ny vaovao voaray koa izao, ho maro ireo avy any amin’ny faritra ho tonga hanatrika io fotoan-dehibe io, misy amin’izy ireo, alakamisy dia efa ho tonga eto an-drenivohitra, hisy ny ho tonga zoma, fa ao koa ny ho avy sabotsy ary tonga dia hivantana any amin’ny toerana hanatanterahana ny hetsika, izay mbola tsy fantatra aloha hatreto.

Ny zoma izao vao hanambara ny toerana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fandaharana Miara-manonja. Ny azo antoka aloha dia any ivelan’ny renivohitra Antananarivo no hatao izany fitsangatsanganana izany.