MALAGASY MIHA-MAHIA

Marobe ny Malagasy no efa tena miha-mahia.
Tsy mora intsony ny hahitana hatramin’ny vary iray lovia.
Manjary tena manahirana ny manjo ny maro an-trano,
Fa sosoa hatrany hatrany no andrahoina atao be rano.

Izany hena izany moa dia efa tsy fahita intsony,
Fa dia ravitoto lava sy anana nalaina rony,
Izany no miverimberina, na ny hariva na ny antoandro.
(Ny maraina dia mazàna no efa tena tsy mahandro!)

Ankizy mpianatra an-tsekoly, tsy mihinana maraina,
No ao an’efitra fianarana, hita ho kamo sy malaina.
Tsy dia misy fifantohana, (tena noho ny hanoanana),
Ka mivandravandra fotsiny sy manolanolan-tanana!

…Any no any koa anefa, misy ngeza miha-mahia.
Manenjika an’ireo mpanohitra fa matahotra hikodia.
Ny ataony dia ny manaratsy, sahiny aza ny manozona,
Noho ny seza mitongilana sy efa tena mihozongozona!

Izany izao no sary hita, sary mampisaina lalina.
Toa mitory fa vao mainka miha-mikitroka ny alina!
Mitrakà ry Malagasy, mivavaha, jereo ny lanitra.
Dia fadio ny miherikerika, matokia an’Andriamanitra.

SEDERA RAVALISON (30-01-21)