EDITO 2 Febroary – Raharaha Paramedy – Fitondrana mandala ny tsy rariny ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Miditra sahady amin’ny volana faharoa amin’ity taona ity isika ankehitriny. Tsy mbola mivaha ny olam-bahoaka amin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina vokatry ny krizy ara-pahasalamana, sy krizy sosialy nipoitra avy amin’izany. Ambiviny amin’ny vahoaka Malagasy no hany mba misitraka ny vary nafarana nandaniam-bolam-panjakana, kanefa tsy hahavita taona akory. Toy ny mpitan-damba fotsiny tsy afaka manao n’inona n’inona ny maro. Ny “kibay” rahateo hifehezana azy arangaranga mandrakariva.

Vao miandoha ny taona dia efa sarotra ny làlana ary mampifararemotra ny ho avy. Zary mba teny fotsiny ihany sisa ny hoe: “taona zina” tamin’ny firarian-tsoa teny anivon’ny fiarahamonina sy tany amin’ny sehatra maro samihafa tany. Hanahirana ny dia hamakivakiana ity taona ity. Sanatriavina tsy hiverina ny ho toy ny tamin-taon-dasa hotsaroana mandrakariva, fa nampikarainkona ny fiainam-bahoaka. Raha mba nihaino tenin’ny hafa ihany ny fitondrana tsy ho tonga amin’ny nanjo sy manjo azy izao ny vahoaka sy ny firenena. Mandray ny kihony nohon’ny fanaovana bemarenina nataon’ny mpitondra ny vahoaka. Ho hitan’ny vahoaka eo raha mba nandray lesona amin’ity taona ity.

Miaka-peo ny mpanohitra tato ho ato, satria nisy kilalao maloto nataon’ny ekipan’ny fitondrana. Ho raharaha hafa andrasana raha hisy akony ny fitoriana natao na arirarira toy ny raharaha hafa, ohatra ny fitoriana napetraka eny amin’ny tendro amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ny manahirana ny sain’ny maro, dia misy raharaha mitranga ihazakazahan’ny fitondrana sy ny manam-pahefana ny manao fanadihadiana sy manasazy na mampiditra am-ponja izay tompon’antoka, ary misy raharaha hafa toa tsy hita izay fizorany sy fiafaràny. Midika tsotra ho tsy filaminan’ny fahaizana mitantana firenena izany.

Anisan’ny nampiainan’izao fitondrana izao ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tsy rariny na “injustice”. Efa nisy ny vaky bantsilana nitsikerana izany, anisan’izany ny fikambanana miady amin’izany eto amin’ny firenena, efa fotoana elaela izay. Tsikaritra fa mbola mitohy anefa izany amin’izao fotoana izao. Iray lehibe amin’izany ny nanaovana ireo mpitsabo paramedy izay nitaky ny zony kanefa endrika fampitahorana no nasetry azy ireo. Nahoana no tsy nomena azy ny tambin-karama notakiany tamin’ny fiatrehana ny ady tamin’ny valanaretina? Ady no nataon’izy ireo, ary nisy tamin’izy ireo aza no voan’ny aretina. Ny fitaovana tsizarizary sy tsy ampy izay nampitaraina fatratra ihany koa azy ireo. Anisan’ny “manda” lehibe niaro ny vahoaka anefa ireo, ary nahavita ny adidiny teto amin’ny firenena.

Raha teo anivon’ny tafika na foloalindahy na ny mpitandro filaminana no nanao izao fitakiana izao, azo inoana fa tsy niandry ela ny fanomezana fahafaham-po azy. Fa rehefa ivelan’izay ve, toy ireto paramedy ireto, dia toy ireny no anaovana azy? Tsy rariny izany. Fitondrana mandàla ny tsy rariny ve izany izao fitondrana izao? Ka inona no antenain’ny vahoaka amin’izany? Voatery tsy maintsy mbola hampiaka-peo mafimafy kokoa noho izao ve ny mpanohitra?