Vazahabe sy ny CUA – Tsy miasa ho anao fa ho an’ny tombontsoany

Ny Valosoa

Soratra mivandravandra fahita any amin’ireo toerana iasan ‘ny Kaomina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny hoe : « CUA MIASA HO ANAO ». Izany tokoa ve no zava-misy sa?

Efa ho herintaona mahery izao no nitondran’ny Ben’ny tanàna Vazahabe ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny hita mibaribary aloha dia tsy mandeha amin’ny laoniny ny asa, fa azo lazaina hoe miha-ratsy sahala amin’ny amboa nosasana ny fahitana azy .

Ny lalana

Mampikaikaika ny rehetra ny lalana eto an-drenivohitra, satria ny faritra sasany dia tsy mba lalana misy lavaka no hita, fa lavaka misy lalana, nisy ny fampanantenana fa amboarina ny lalana eto Antananarivo mandritra ny fihibohana, kanefa dia bala rora ihany izany.

Tsy tokony hisy ny sakana tsy ahafahana manamboatra ny lalana eto an-drenivohitra, satria efa novoizina mafy tamin’ny fampielezankevitra, fa raha olon’ny antokon’ny fitondrana no Ben’ny Tanàna dia tsy hisy ny olana amin’ny fampandrosoana.

Mikasika ny fikojakojana ny lalana dia misy ilay antsoina hoe: “ TPP ” na “Taxes sur les Produits Petroliers “, io dia ampahambola alaina amin’ny vidin’ny solika entina ikojakojana ny lalana, ny fanjakana foibe no mikirakira azy io. Antananarivo Renivohitra no lohalaharana amin’ny fanjifana solika eto Madagasikara, raha ny tokony ho izy dia tokony ho tsara avokoa ny lalana eto an-drenivohitra. Tamin’ny fotoana nitondran’ i Neny Lalao Ravalomanana dia sady tsy nanamboatra lalana ny mpitondra foibe no tsy nanome vola niasan’ny CUA tamin’izany, kanefa dia niezaka nanamboatra arak’izay teo ampelatanana i Neny sy ny ekipany, fa amin’izao fotoana izao matoa mbola ratsy ny lalana eto an-tanàna dia natao salobokomana ilay “TPP” , ary ny dikan’izany dia ny « CUA TSY MIASA HO ANAO », fa ho an’ny tombontsoany ihany.

Ny tsena

Ny tsena no maha Antananarivo an’Antananarivo satria tonga eto avokoa mividy, sy mivarotra, na ny avy amin’ny manodidina, na ireo avy any amin’ny faritra.

Hatramin’izao herintaona nitondran’ i Vazahabe izao dia tsy mbola voalamina ny mpivarotra, fanamby nataon’ny mpitondra ny tanàna ny hampilamina ireo mpivarotra kanefa vao mainka indray fanakorontanana no hita, ireny niaraha-nahita ireny ny fandravana ireo “box” izay tsy nanelingelina ny fifamoivoizana velively, ireo toeram-pivarotana tao ambadiky ny Boriborintany voalohany, hita mihitsy ho nanome endrika ny tanàna, kanefa dia nopotehina tsy nananana antra, ilay fotodrafitrasa eny Behoririka nambara fa tsy ara-dalàna tamin’ny fotoana nitondran’i Neny, mody narodan’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny tenan’Ingahy Liva Raharison tompon’andraikitra ao amin’io ministera io mihitsy no nitarika ny fandravana ny ampahany kely tsy dia mankaiza, tamin’izany dia efa azo an-tsaina, fa tsy maintsy mbola ho ampiasaina io toerana io matoa tsy narodana ny tena fototra, kinanjo inona tokoa fa ankehitriny dia amboarina ilay toerana ary atao tsena mahazaka mpivarotra anatiny sy ivelany, ny tsena eny amin’ny sisin’ny Soarano dia tsy noravana tanteraka fa nofefena fanitso, ny azo inoana dia mety ho azo atao indray ny mivarotra eo aoriana kely, saingy ny azo antoka dia mety hiova ny tompon’ny tsena na mety ho lasan’izay mandrotsaka be ny toerana, enga anie ka ho diso izany! fa ny tena mampalahelo dia efa ho herintaona izao no tsy afa-nivarotra ny tao amin’ny “Zaimaika “, kanefa dia tsy mbola vita hatramin’izao ny fanarenana ilay toerana, satria tsy laharampahamehana ho an-dry Vazahabe sy ny forongony ny mikarakara ireo mpivarotra madinika, fa ny hampanofa box eny Behoririka no mahamaika azy mianakavy, mazava izany fa ny « NY CUA TSY MIASA HO ANAO », fa ho an’ny tombontsoany.

Ny fanadiovana

Narantiranty ireo fiarabe ampolony maro nambara fa fiaran’ny Samva, izay hisahana ny fandraofana ny fako eto Antananarivo, indrisy anefa fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fampiasana azy ireny, ny tena marina dia nihena an-toerana ny isan’ireo fiarabe, ka tsy fantatra ankehitriny izay tena isany marina, ny vokany dia tsy lavorary ny fandraofana ny fako eto Antananarivo hatramin’izao.

Misy ny ampahambola arotsaky ny Jirama ao amin’ny kitampombolan’ny Samva sy ny Cua, io ilay antsoina hoe :” Revenus sur les Ordures Menagères na ROM “, sy ny “ Revenus sur les Eaux Usées na REU”, raha ny habetsaky ny mpanjifan’ny Jirama eto Antananarivo Renivohitra dia tokony hisy ny entimanana handraofana ny fako, fa matoa tsy vita izany dia ny « CUA TSY MIASA HO ANAO », fa ny tombontsoany ihany no banjininy.

Ny fanorenan-trano

Ny Kaomina Antananarivo Renivohitra no tompon’andraikitra amin’ny fanomezana alalana hanorina na “permis de construire”, tokony ho jerena avokoa amin’ny fanomezana alalana ny lafiny tontolo iainana, ny fikorinan’ny rano, ny fifamoivoizana, ary indrindra ny fitsinjovana ny ain’olona, izay tokony ho sakana tsy ahafahana manome ny alalana.

Mikasika ilay trano izay nitera-doza teny Anosizato Atsinanana, mbola ao anatin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, dia natao tandrametaka ny fanadihadiana mikasika ilay toerana nanorenana ny fotodrafitrasa, matoa orana tsy dia mankaiza akory dia efa ampy nampirodana ilay trano. Ny dikan’izany, tsy afa-miala, fa manana andraikitra tamin’iny loza iny ny Cua, satria tsy mitsinjo ny aim-bahoaka. Raha tsorina dia ny « CUA TSY MIASA HO ANAO ».

Herintaona izay no lasa teo amin’ny fitantanan’Ingahy Vazahabe ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, nantenain-kisondrotra ny tanàna, kinanjo vao mainka nilentika, nipoapoaka ny fampanantenana tamin’ny fampielezankevitra, fa ny voaporofo sy tsy takona afenina dia mazava, fa ny « CUA TSY MIASA HO ANAO », satria tsy mahafehy ny fitantanana ny tanàna ny mpitarika azy.