Raharaha volamena 73,5 kg – Nandainga jeneraly Ravalomanana sy ny ladoany

Ny Valosoa

Araky ny vaovao nivoaka tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja dia voaantitrantitra indray, fa lainga ny filazàn’ny jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (na SEG), fa sidina antsokosoko no nataon’ilay fiaramanidina (5R-ASB) nanondranana ny volamena 73,5 kg antsokosoko tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Ary dia niampy koa ny lainga, satria tsy marina ny filazàn’ny tale jeneralin’ny ladoany, fa tsy mahalala ny mikasika io sidina io ny sampandraharahan’ny ladoany.

Mitohy amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy fikarohana ny marina mikasika ity raharaha fanondranana volamena ity, izay ataon’ny sampandraharaha amerikanina mahaleo tena misahana ny fikaroham-baovao amin’ny alalan’ny fitsikilovana (na espionnage), sy ny raharaha maloto (na opérations clandestines) miseho ivelan’ny fireneny, na ny CIA (Central Intelligence Agency); eo koa ny polisy iraisampirenena na ny Interpol, izay tonga eto an-toerana manangona porofo sy manadihady, ho entina manatanteraka ny fitsaràna ireo mpanondrana volamena telo tratra tany Afrika Atsimo.

Mitohy koa ny fampitàna vaovao misy porofo ara-dalàna voaangon’ny tomponandraikitra ao amin’ny fandaharana Miara-Manonja. Ny mahazendana dia toa mifanohitra amin’izany ny vaovao avoakan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana, izay toa misary fanafenana ny marina.

Voaporofo fa ara-dalàna ary efa nampahafantarina ireo sampandraharaha voakasika araky ny fomba mifehy ny zotra iraisampirenena an’habakabaka, ny sidina nataon’ny fiaramanidina (5R-ASB) nitondra ny volamanena, ny andro mialoha an’iny. Vavolombelona amin’izany ny tomponandraikitry ny seranampiaramanidina (na commandant d’aérodrome) ao amin’ny ADEMA, izay nampahalala an’i Rafalimanana Tahiana, mpiasan’ny ladoany ao Toliara, fa hisy ny zotra manokana (na vol privé) ny ampitso : “vol privé à destination de l’Afrique du Sud – va effectuer les formalités de départ la matinée du 31 décembre”. Io mpiasan’ny ladoany io dia nanontany ny tomponandraikitra teto Antananarivo mikasika ny fepetra manokana tokony ho raisina mikasika ilay sidina. ary dia mbola nahazo antso ihany koa ny tenany ny andron’ny sidina, ho fampandrenesana fa ho avy ny fiaramanidina hipetraka ao Toliara.

Rehefa nipetraka tao Toliara ny fiaramanidina hanampy solika dia natao ny pitsopitsony amin’ny ladoany (na formalités douanières) rehetra. Araky ny tatitra ofisialy dia nisy ny fisavàna entana araka ny fomba fanao : “fouille minutieuse des bagages et des bagages à main”. Mazava ny “reçu” nandoavam-bola tao amin’ny ladoany sy ny tataratasy ofisialy hafa isan-karazany. Lainga araka izany ny filazàn’ny Tale jeneralin’ny ladoany, fa tsy nahafantatra na inona na inona mikasika io sidina io. Lainga koa ny filazàn’ny SEG fa antsokosoko ny nivoahan’ny fiaramanidina.

Tsara ho fantatra fa eo ambanin’ny fiahian’ny ministry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato, ny sampandraharahan’ny ladoany, izay tsy maintsy manafaka ny fahalalahana miaro (na immunité) ireo mpiasan’ny ladoany, vao azo anaovana famakafakàna izy ireo. Hatreto aloha araky ny angom-baovao dia tsy misy izany.

Marihina manokana eo anivon’ny seranampiaramanidina fa ny orinasa Amarante no tompondraikitra amin’ny fiarovana (na sécurité aéroportuaire) ary misahana ny fisavàna ny entana mikasika ireo zotra manokana (na vol privé). Koa raha nanao ny asany daholo ny ladoany sy ny orinasa Amarante dia tsy ho tafavoaka ny firenena ireo volamena milanja 73,5 kg ireo. Saingy tambazotra goavana mampisaringotra ny fitondrana ankehitriny izany, ka miezaka mafy izy ireo hamono ny afo efa miredareda izay tsy izy. Etsy ankilany, ny tompon’ny orinasa STA, Gilbert Biny, dia afaka nitsoaka any ivelany tsy voakitikitika tsy nisy fanakanana amin’izao fotoana fikarohana ny marina izao. Ny Praiministra izay tsy nandrenesam-peo hatramin’ny fiantombohan’ny raharaha dia indro fa niloa-bava rehefa voaelingelina, ka nilaza fa manakorontana ireo mpanohitra sahy milaza ny marina.

Miseho ankehitriny ny tena endrika ratsin’ny tambazotran’ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony. Mitohy ny tantara ary “hitodika aty amintsika tokoa ny mason’izao tontolo izao”!