Freddi Greco – Boaikelin’Andohatapenaka, kintan’ny baolina kitra any Italia

Lita

Mpilalao baolina kitra anisan’ny malaza any Italia amin’izao fotoana i Freddi Greco eo amin’ny sehatr’ireo solofo handimby any an-toerana.

Iza moa ity Freddi Greco ity.

Mpilalao anisan’ny manana ny hoaviny ao Italia izy ankehitriny, boaikely zanak’olona sahirana avy etsy Andohatapenaka Antananarivo i Freddi ary nisy teratany Italiana mivady nanangana azy. Teraka ny 12 febroary 2001 tao Andohatapenaka Antananarivo i Freddi, malagasy ray sy reny, saingy natsangan’i Lorenzo Greco mivady, Italiana, noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny teto an-toerana.

Teo amin’ny faha-6 taonany izy no nanomboka nanao baolina tao amin’ny Lodigiani any Italia. Nifindra tao amin’ny AS Roma, avy eo tao amin’ny sokajy latsaky ny 15 sy 17 taona, na U15, U17. Ankehitriny dia ao amin’ny FC Torino U19 izy. Ny mampiavaka azy dia matetika voaantso miaraka amin’ny ekipa zokiny ao amin’ny série A Italiana.

Mpilalao tanora manana ny ho aviny i Freddi, 19 taona izy izao, mirefy 1,77m ary milanja 71kg. Irakiraka no toerany, saingy mahavoafehy ny vodilaharana havia koa. Noho ny fananany talenta dia voantso ao amin’ny ekipam-pirenena Italiana zandriny foana ny tovolahy: U17 sy U19.

Raha ny nambaran’ny rainy nanangana azy, ao amin’ny ekipam-pirenena Italiana aloha i Freddi hatreto, fa azo heverina ihany ato ho ato koa ny hilalaovany amin’ny ekipam-pirenena Malagasy, dia ny Barean’i Madagasikara izany, izay firenena tena niaviany.