Fiaraha-manonja, miha-mahery ka efa hilentika ny lakan-jejo

Andry Tsiavalona

« Horakoraka ny an’ny sahona fa ny tsiboboka no tompon’ny rano ». Efa lokom-boasary avokoa no manemotra, tsy ny tranon’ny andrimpanjakana, na ny trano misy ireo departemanta isan-tokony, na ireo sampan-draharam-panjakana ihany, fa hatramin’ny lokon’akanjon’ny mpanohana ny fitondrana. Raha izay no jerena dia azo tombanana fa tena “revolisionera miravaka lokon-doranjy” tokoa no manjaka eto Madagasikara. Araka izany, na inona na inona zavatra mitranga dia efa manana izay lazainy fa vahaolana mifanandrify amin’izany ny fitondrana. Tsy fiarovan-tena na fiarovana ny filohan’ny Repoblika na ny andrim-panjakana no vahaolana, fa ny fandrosoana programa maty paika efa voavolavola mialoha entina miatrika izay mety mitranga.

Tsy fampitahorana na fampihorohoroana izay maneho hevitra momba ny tranga marina misy eto an-toerana no hampitony ny fisafotofoton’ny rivom-panovana, fa ny fiaikena fa niborioka any amin’ny làlana tsy tokony alehany ny fitantanana ny Firenena. Raha ny fihetsiky ny depiote “maro an’isa” eny amin’ny Antenimierampirenena tokoa no vakiana dia tsy mifanandrify amin’ny andraikitra maha mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka sy manitsy izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy no ataon’ireto depiote ireto, fa ny mifanohitra amin’izany. Raha ny marina dia rehefa mizotra any amin’ny tsy tokony halehany ny fitantanana ny raharaham-pirenena dia tsy miaro ny mpanatanteraka no andraikitry ny Antenimiera, fa ny mametraka ny “fitsipaham-pitokisana”.

Nandritra izay roa taona nitantanan’izao fitondrana izao ny Firenena izay dia tsapan’ny olompirenena manaraka ny fiainam-pirenena, fa familiviliana ny saim-bahoaka amin’ny fandefasana horonan-tsary mampanonofy mitsangana no atao isaky ny misy tranga manala baraka (scandale). Tsy azo hadinoina ny resaka “bonbons sucettes”, ny “écrans plats”, ny fanodinkodinana ny vola fanampiana avy any ivelany niatrehana ny valanaretina, ny fijalian’ny vahoaka manoloana ny fahatapahan’ny rano sy herinaratra ary farany teo ny “volamena 73,5 kilao”. Mamaky bantsilana ireo toe-draharaha ireo ao amin’ny fandaharana “Miara Manonja” ny loholona, solombavambahoaka sy mpanao politika ary mpamakafaka ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra rehetra.

Manoloana izany dia tsy mijanona amin’ny fiarahana amin’ny filohan’ny Repoblika intsony ny vondrona maro an’isa (IRD) eny amin’ny Antenimieram-pirenena, fa lasa mpiaro azy. Ampahatsiahivina fa tsy mpiaro na mpandoka ny mpanatanteraka ny depiote, fa manery ny mpitarika ao amin’ity andrimpanjakana ity hanatanteraka ny toky sy programan’asa narosony tamin’ny fampielezan-kevitra. Raha mamporisika ny birao maharitry ny Antenimierampirenena handray fepetra ho an’ireo solombavambahoaka ao amin’ny fandaharana Miara-Manonja dia mifamototra amin’ny andraikitra tsy maintsy raisina izany. Raha ny marina dia ireo minisitra tsy maha tanteraka ny andraikitra iantsorohany no hantsoin’ny (interpeler-ny) Antenimierampirenena.

Niaraha-nahita ny fibedesan’ny filohan’ny Repoblika ny tale jeneralin’ny Jirama kanefa tsy nisy fepetra noraisina mifanandrify amin’izany. Ny minisitry ny angôvo sy ny minisitry ny rano dia samy tomponandraikitra amin’izao fahoriana iainan’ny mponina momba ny fahatapahan’ny angôvo sy rano lavareny ity. Angamba heverin’ny mpitondra fa tsy fahafaham-baraka izao tranga izao dia fahendrena ny mandray fepetra henjana ho an’ireo tomponandraikitra tsy mahavita azy rehetra. Tsy fiarovana ny mpanatanteraka no andraikitry ny fahefana mpanao lalàna, fa manasazy azy manoloana ny tsy fanatanterahany ny andraikiny.

Mihorakoraka ao amin’ny fampielezampeom-pirenena ny minisiteran’ny serasera ho fiarovana ny ao amin’ny fitondrana misy azy kanefa tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva, fa tsy takona hafenina intsony, fa tsy mahavaha ny olana mianjady amin’ny mpiray firenena aminy izy ireo. Tsy tokony ho hadinoina ihany koa fa an’ny vahoaka ny fahefana ka rehefa mahita izy, fa tsy araka ny tokony ho izy intsony ny fitantanana ny Firenena dia zony feno ny manaisotra izany fahefana nampidraminy izany.