EDITO 30 Janoary – Saro-dalana ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Samy mahita sy manana « maso mahiratra » ny rehetra, fa vahaolana mantamanta na manta mohaka mihitsy, no aroson’ny fitondrana amin’ny toe-java-mahaory ny vahoaka eo amin’ny andavanandrom-piainany.

Miendrika fandrebirebena, na fanarian-dia ny vahoaka ihany ny filazana ny amin’ny hoe, efa misy ireo fotodrafitr’asa samihafa vita na hotanterahina. Nolazaina fa mamorona asa ireny, kanefa hatreto, tsy hita loatra izany. Miha-mitombo andro aman’alina aza ny tsy an’asa eto amin’ny firenena, ary misarangotra amin’izay azony isarangotana sisa ilay vahoaka mba ho velona isan’andro.

Ity fitondrana Rajoelina ity, dia fitondrana manao ny vahoakany hiditra sy hiaina fomba tsy mivelatra. Ohatra raisina hampahazava ny resaka, maneho ny fahantram-bahoaka ny fampidirana sy fampiasana teny amin’ny varotra amin’ny fiainana andavanandro irony kapoaka amin’ny voatabia am-bifotsy madinika irony. Tsy niasa anefa ireny tany aloha tany, fa ankehitriny vao mainka miha-mahazo laka, satria ambany ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Ny fampiasana an’izy ireny maharitra ary mbola haharitra eny an-tsenan’ny fiarahamonin’ny sarambabem-bahoaka toy izao, dia maneho miharihary fa tena latsaka lalina ary miaina ao anaty fiainana tsy misy fivoarana ary tsy mivelatra ny vahoaka malagasy. Santionany ihany io, fa sehatra maro samihafa no ahitana io fanazarana ny vahoaka hiaina ao anatin’izany zavatra miendrika kiteritery izany.

Tsy hita amin’izao fitondrana izao ny fanomezana sehatra malalaka ny vahoaka hiaina an-kalalahana. Raha misy tranga omeny an’izany aza raha miseho milaza izany izy, ohatra, dia tsy miala ao anatin’izany ny fepetra maro samihafa mifanaraka amin’ny sitrapony sy metimety aminy. Izany hoe tsy malalaka ihany izany. Henatra ho an’ny firenena ny tsy fisian’ny solontena avy amin’ny antoko mpanohitra marina, fa tsy kisarisary fihatsarambelatsihy, eo anivon’ny antenimierandoholona. Ho sarotra amin’ny saina ihany ny hanaiky fa hisy an’izany ao, satria fantatra mazava fa samy mpanohana fitondrana avokoa no ao izao. Mazava loatra, fa misy fitakiam-bahoaka izay maika ilainy eo amin’ny fiainany andavanandro, dia sarotra ny hahazoany izany, indrindra fa tsy misy olon’ny mpanohitra ao anatin’izany. Ny antony, ireo antenimiera roa ireo dia eo am-pelatanan’ny fitondrana tanteraka ny fibaikoana azy, sy azony ampiasaina amin’izay ilainy ankehitriny. Fatorana anefa ny vahoaka tsy haneho hevitra an-kalalahana hanambara ny momba ny fandehan-draharaha sy ny fiainam-pirenena, ary lazaina fa efa misy an’ireo hampita ny heviny. Ho lavitry ny afo ny kitay.

Lavitra ny vahoaka Malagasy ny fizorana amin’ny lala-migodana amin’ny fiainany ankehitriny, fa natao ho an’olom-bitsy izany. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao aza, dia toa vao mainka entina amin’ny lalana mikitoantoana izy. Ary ny manahirana ny sain’ny maro, dia lazaina fa ny hafa no mikendry hanao izany sy hanilihana ny rihitra, kanefa iarahan’ny rehetra mahalala sy mahita ihany ny rangory fototry ny afo.