EDITO 28 Janoary – Fitantanam-pirenena – Miseho hatrany ny tsy fahaizan’ny fitondrana ankehitriny

Sôh’son

Miharihary fa mizotra mankany amin’ny tsy fahaizana mifehy ny fitantanam-pirenena, manaraka ny tokony ho izy, andrasan’ny vahoaka ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Ao anatin’ny tena fotoana ahafahana mandrefy tanteraka ny amin’ny lenta marina ny fahaiza-manaon’ny fitondrana mitondra firenena ny fotoana niasany hatramin’izay, ka hatreto. Tsy misy azony ialàna bala ny tsy fahombiazana hatramin’izay, ka nampahantra sy nampahory ny sarambabem-bahoaka ary nilentehan’ny fiainany. Tsy lavina, nisy ny asa nataony, ny tsy vita koa anefa mbola be lavitra noho izany. Azo oharina amin’ny mpitsabo manome fanafody parasetamôla hanasitranana aretina homamiadana anefa izany. Indraindray aza ity fitondrana Rajoelina ity toy ny mpitsabo aorian’ny fahafatesana “médecin après la mort”, no ataony.

Efa niseho tamin’ny tranga maro samihafa teo amin’ny fiainam-bahoaka izany. Ohatra akaiky azo raisina sy porofo miharihary, ny fisian’ny mpiray tanindrazana namoy ny ainy tany atsimo noho ny kere, izay vao mikoropaka. Efa mihanaka ny valanaretina covid-19 nanomboka ny volana martsa rehefa tsy nohidiana ny sisintany vao mody miseho miasa namaha ny olana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy, kanefa niaraha-nahita tsara ny fomba fiasa natao tao anatin’izany, tsy nandeha amin’ny nandrasan’ny vahoaka akory. Nampiatoana ny fampianarana nandritry ny fihibohana kanefa tsy nisy vahaolana na kely aza natolotra nanampiana ireo ray aman-denin’ny mpianatra, ny sekoly nikatona tamin’ny ambaratonga rehetra, ary indrindra ny mpampianatra.

Manahiran-tsain’ny fitondrana ny vaky bantsilana ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao. Hita fa tsy zakany velively ny tsikera sy fanehoan-kevitra maro samihafa ataon’ireo mpanohitra any amin’ny onjam-peo “Miara- manonja”. Dia nahavariana sy nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao, fa nampiaka-peo hatramin’ingahy Praiministra Ntsay Christian, izay tsy hita miteny amin’ny fotoana tena ilan’ny vahoaka azy. Misy fotoana tena andrasan’ny vahoaka hiteny izy kanefa toy ny tsy eto an-tanindrazana ny misy azy, fa milentika any amin’izay isalobonany any. Nisy fotoana, nidradradradra nitaraina ny vahoka fa sempotry ny fahantrana sy ny fahasahiranana lalina eo amin’ny fiainany andavanandro. Niantsoantso ny mpiasa amin’ny orinasa izay maro no voaroaka na voailika tamin’ny asany, poitika ny fivelomany, nilentika ao anaty fahantrana ny Malagasy marobe aman’alina maro. Fa tsy naharenesam-peo ny Praiminisitra, fa toy ny tsy nahakasika azy izany. Izao angamba mahatsiaro ho voatohintohina ny tombontsoany, ny sezany sy ny fitondrana iankinany, ka mahatsiaro izy fa tokony hiteny ary mandrahona mihitsy aza. Naninona raha tsy tiana ho tonga izany ka mba nosorohina mialoha?

Raha mpitondra tena mahay mitondra firenena sy manana traikefa, ny fomba fiasa natao hatramin’izay roa taona mahery izay, dia tokony hahafahana mihevitra fa tsy maintsy midona amin’izao fihetsiky ny mpanohitra izao na hiankavia na hiankavanana. Fa matoa tsy mahatsapa sy tsy nisaina izany, dia tsy mahay izay. Tsy misy toe-javatra tongatonga ho azy izany eto amin’ity firenena ity. Miankina amin’ny asa ataon’ny fitondrana no ipoiran’ny tranga samihafa eto. Ary arakaraka ny setry iatrehana izany no tena ahafahana mandrefy ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana firenena. Tsy amin’ny alalan’ny fampitahorana hampiasa hery akory ny fanehoana izany, fa tena hevi-diso indray koa izany. Fomba namohehitra teto amin’ny firenena sy lany andro izany.