ANARAM-BOSOTRA

Raharaha "doublons" - Raharaha "bonbons sucettes" - Raharaha écrans plats"

Hatramin’ny ela no efa nisy izany hoe anaram-bosotra.
Izay voapetaka an’izany dia matetika no sosotra.
Tranga maro no niaviany saingy raha ny eto amintsika,
Ny hita ho nampirongatra azy dia ny resa-politika.

Lasa niova ho anaram-bosotra ireo tsy tsara sy tsy nety.
Tao ry ecran plat, nalaza ry bonbon sucette.
Mariky ny kolikoly sy kitranoantrano ireny,
Saingy hatreto tsisy tohiny ary tsy voateniteny.

Tao ny lisitra vorosoka izay nezahina nafenina.
Be ireo tsy mazavazava, tsy navela hotenenina.
Niaiky ry Radoublon fa nisy resaka masiso,
Avy eo dia niala sa nalana? Tsy hay izay marina sy diso!

Ato ho ato koa dia hoe hiseho masoandro Rakapoaka.
Na manara-penitra aza, tsy hahafaly ny vahoaka.
Ny antony dia tsotra ihany, tsy izany no hampihena
Na hampidina indray ny vidim-bary ery an-tsena!

…Dia ho avy hatrany hatrany ireo ilay hoe anaram-bosotra,
Ary ho toy ny menaka izy, be dia be no mbola hihosotra.
Izay rehetra “tsy mamely”, mieboebo tsisy farany,
Atsy ho atsy dia miomàna fa ho avy koa ny anarany!

IRINA HO TAFITA (25-01-21)