Karatry ny mpanao gazety – Misandoka ny OJM ny vaomieran’ny ministeran’ny serasera

Stefa

Manao amboletra hizara karatra ho an’ny mpanao gazety ihany amin’izao fotoana ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ny vaomiera izay natsangany hanome izany.

Araka ny fanambarana avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), misandoka ny holafitra ankehitriny ny vaomiera natsangan’ny ministera hizara izany karatra izany, misoloky ny OJM ny filohan’ny vaomieran’ny ministera, Jean Aimé Rambeloson, satria dia adiresy misy OJM no asainy handefasana ny antontan-taratasy ho an’ny mpanao gazety hanao karatra: adiresy mail: cpc.cip.ojm@gmail.com amboletra io hoy ny holafitra, fa tsy misy biraon’ny OJM mandray anjara amin’io  noho ny fanitsakitsahany ny lalàna: arrêté 24-931 novainy ho 23483.

Ankoatra izany, terena ankolaka hanao fangatahana tsirairay, demande individuelle, ny mpanao gazety rehetra, fa tsy isaky ny organe, na ny trano fanaovan-gazety. Hatramin’ny stagiaire naiditra ao avokoa.

Ka eo isika samy mahita hoe Ordre ve io ataon-dry zareo io sa tsia? Iza daholo izany CPC régionale sy CPC provincale izany?…