Fiainan’antoko – Hijoro ny vehivavy TIM manoloana ny loza manjo ny firenena

Helisoa

Nangingina kely ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) tao anatin’ny fotoana maromaro , ankehitriny nifoha tamin’ny torimasony ireto farany manoloana ny loza manjo ny firenena .

Araka ny fantatra dia misy ny fanetsehana indray na “redynamisation” ataon’ny antoko TIM amin’izao fotoana izao, araka ny toromarika avy any amin’ny birao politika nasionaly. Tsy latsa-danja amin’izany ny vehivavy TIM, ka nivory voalohany tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko, tao Bel’Air izy ireo omaly alarobia 20 janoary 2021.

Tapaka tamin’izany, fa hijoro ireo vehivavy hampiroborobo ny antoko, sy hijoro manoloana ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Na tao anatin’ny andro vitsy aza ny fiantsoana fivoriana dia tonga ny solontenan’ireo vehivavy manerana ny faritr’Analamanga, ny tany Anjozorobe no tsy nahatonga solontena tamin’izany.

Hisy ny hetsika lehibe hataon’izy ireo ato ho ato, ka ny sabotsy 30 janoary ny fivoriana manaraka, handinihana ny fanatanterahana izany.