Foloalindahy – Tena manamboninahitra no ilain’ny firenena fa tsy be galona

Ny Valosoa

Tamin’ny herin’ny androany, ny talata 12 Janoary no nankalazaina ny “Andron’ny Manamboninahitra”, heverina fa tsy mbola tratra aoriana raha hiresaka izany isika amin’ny androany. Raha tsiahivina fohy ny tantara dia ny 12 Janoary 1967 no nijoro ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, sekoly fanomanana manamboninahitra hiasa ao amin’ny foloalindahy, izay no antony nifidianana ny 12 Janoary ho “Andron’ny Manamboninahitra”.

Misy ny fomba fanao amin’izany “Andron’ny Manamboninahitra“ izany, toy ny famoriana ireo manamboninahitra eo amin’ny toby, miatrika ny fananganana ny fanevampirenena, ka izay manamboninahitra kely galona indrindra no manao ny fibaikoana, mitohy amin’ny fiarahana manao fanatanjahantena, misy ny fanomezana mari-pahatsiarovana hoan’ny mpitondra ary miafara amin’ny fiarahamiala hetaheta sy kabary ifamaliana ny fankalazana.

Fa raha vao mikasika ny manamboninahitra no resahina dia tonga ao an-tsaina avy hatrany, fa ny manamboninahitra dia manana ny fahefana eo amin’ny fibaikoana eo anivon’ny foloalindahy (miaramila sy zandary), ny fanapahankevitra rehetra toy ny fisamborana na fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, na basy dia tsy azo tanterahina raha tsy misy ny alalana avy amin’ny manamboninahitra, kanefa etsy andaniny dia tsy azo amaivanina ihany koa ny teny filamatry ny foloalindahy toy ny hoe: “ho an’ny tanindrazana” ny an’ny miaramila ary “tanindrazana sy lalàna” ny an’ny zandary. Ankoatr’ireo dia mbola misy koa ilay hoe “tandroka aron’ny vozona,“ sy ny hoe “miaro ny vahoaka sy ny fananany”.

Herinandro talohan’ny nankalazana ny “Andron’ny Manamboninahitra” dia ireny niaraha-nahita ireny ny herisetra nihàtra tamin’ireo mpianatra niofana ho mpampianatra avy tao amin’ny Ens Ampefiloha, ireo miaramila sy zandary ary polisy no nampiasa hery tamin’ny mpianatra, nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso sy namatotra rojovy ireo mpianatra nitaky ny zony, toa tsy nisy resaka izany tamin’ny 12 Janoary teo, fa ny heno nivoaka ny vavan’Ingahy Filoha izay nahazo gisa, dia ny hoe mahatoky ny foloalindahy ary vonona hatrany hamatsy fitaovana ireto lazaina fa “tandroka aron’ny vozona “ ireto. Ny azo antoka aloha matoa nirefotra ny lakrimozena sy nisy ny famatorana tamin’ny rojovy dia tsy maintsy baiko avy amin’ny manamboninahitra.

Fa ny tena loza ny ampitson’ny 13 Janoary 2021 dia mbola nisy indray tamin’ireo “tandroka aron’ny vozona “ nisambotra ireo olompirenena tsy nitondra arotava ary nampanao asa tsy mendrika ireo voasambotra ireo, toy ny fanadiovana lakandrano maloto, izay lazaina fa asa ho amin’ny tombontsoam-bahoaka, hono, io moa raha tsorina d’ilay lazain-dry zareo mpitondra ankehitriny amin’ny teny frantsay hoe: “travaux d’intérêts generaux”, izay mazava fa toy ny “Smotig” na ” Service de Mains d’Oeuvres et de Travaux d’Intérêts Généraux “, asa fanompoana tamin’ny andron’ny fanjanahantany izany. Ny azo antoka dia tsy maintsy manamboninahitra no nanome baiko ireo nisambotra sy nampiasa ireo tsy nitondra arotava.

Feno 60 taona tamin’ny 26 Jona 2020 lasa teo ny foloalindahy malagasy, ny mampalahelo ankehitriny dia misy amin’ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra jeneraly izay tsy miraharaha ny vahoaka sy ny fananany fa dia revo amin’ny fiarovana ireo mpanao politika nahazo fahefana tamin’ny hosoka, tsy manaja ny antsoina amin’ny teny frantsay hoe: “paroles des officiers”, na “fanambin’ny manamboninahitra”, izay manome lanja ny vahoaka sy ny tanindrazana, soa fa tsy izy rehetra no manao izany fomba mamohehitra izany, fa mbola ao dia ao ireo manamboninahitra mijoro amin’izay maha manamboninahitra azy izay, fa tsy “Be Galona” fotsiny.