Fandaharana Miara-manonja – Miha-mitsikafona ny marina amin’ilay raharaha volamena

Ny Valosoa

Araka ny nambaran’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly, izay efa mandeha amin’ny televiziona MBS ihany koa amin’izao fotoana, tafiditra amin’ilay raharaha volamena 73,7 kg ny fianakavian’ny filoha Rajoelina sy Mialy Razakandisa, izany dia araka ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Africa Intelligence, ary notaterin’ity olom-boafidy ao Antananarivo I ity, tao amin’izany fandaharana izany. Miha-mitsikafona hatrany arak’izany ny marina momba ity raharaha volamena ity.

Nambarany tamin’izany fa mipoitra hatrany ny zava-misy marina eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, vokatry ny fahatratrarana ireo volamena 73,7kg tany Afrika Atsimo nokasaina havoaka antsokosoko ny 31 desambra 2020. Ny fiaramanidin’ny orinasa STA (Services et Transports Aériens) iray, no nampiasaina tamin’izany. Voatazona any am-ponja ireo telo lahy nitondra ny entana ary miandry ny fitsaràna azy amin’ny volana febroary.

Fantatra ankehitriny araka ny voalaza, fa nanasonia fifanarahana tamin’ity orinasa STA ity ny ministry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato, hampiasàna ny fiaramanidina mandritra ny telo herinandro isam-bolana, efa ho nandritra ny herintaona. Araka ny fifanarahana dia natao hahafahana mizara ‘bons de caisses’ ho an’ireo mpiasam-panjakana eran’ny Nosy izany. Toa hafahafa ihany izany.

Gilbert Biny

Ny tompon’ny orinasa STA dia i Gilbert Biny, vazaha zanatany mpandraharaha, namana akaikin’i Yves Roger Rajoelina, kolonely misotro ronono, izay rain’ny filoha Andry Rajoelina, ary mpiara-miasa efa ela niaraka tamin’i Rodolphe Razakandisa, rain’ny vadin’ny filoha Mialy Rajoelina. Ity rain’ny vadin’ny filoha ity dia nitàna ny toerana, tale misahana ny fitantanana sy ara-bola, directeur administratif et financier, tamin’ny orinasa maro tantanan’i Gilbert Biny. Taty aoriana dia niara-nitantana ny orinasa : société immobilière, Résidence d’Ambatobe, izay manana ny trano nipetrahan’ny filoha sy ny fianakaviany nandritra ny fotoana ela.

Tsy mahagaga araka izany teo aloha raha niely ny resaka, fa voasaringotra tamin’ny raharaha volamena ny ao an-dapa. Nanampy izany ny fikasan’ny tao amin’ny governemanta hampody ireo olona telo tratra tany Afrika Atsimo, sy ireo volamena voatazona.

Mivoaka tsikelikely ny ratsy ataon’ity fitondrana ity tato ho ato. Manonja dia manonja, ary misamboaravoara mihitsy ny sambon’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo forongony. Fa toa tsy matahotra hono aloha hatreto ny Fitondrana!