EDITO 19 Janoary – Fitondrana Rajoelina – Toa fampihodinkodinana ny vahoaka fotsiny no misy

Sôh’son

Misy sehatra tsy hita, na tsy hain’ny fitondrana Rajoelina mihitsy ny mamaha azy hatreto ary miditra amin’izao fahatelo taona itondrany ny firenena izao. Sehatra izay tena mampijaly mafy ny vahoaka tokoa eo amin’ny fiainany andavanandro. Tsy manan-kalahatra amin’ny vahaolana hatrany amin’ny ministera tompononadraikitra. Ary azo inoana fa tsy hisy ny vahaolana hanomezana fahafaham-po ny vahoaka iharany, satria tsy ao anaty kajin’ny drafitra idedahany hohazavaina ato ho ato izany fahoriam-bahoaka izany. Tsy sehatra iray koa anefa izany, fa misy ireo hafa tsy ahitam-bahaolana hatreto. Anisany ny lafiny sosialim-bahoaka. Ao anatin’izany ny fisiana fitondra-mitanila atao amin’ny vahoaka malagasy. Nahoana no misy ampahana vahoaka tsy mitsahatra ny fitondrana mitsinjo azy amin’ny fanampiana. Tsy ireo ihany anefa no sahirana mila fanampiana, fa ny ampahany be amin’ny vahoaka manontolo mihitsy.

Fitondrana mihevitra ny vahoaka Malagasy ho toy ny zaza sy bado ity fitondrana ankehitriny ity. Ny paik’adim-pampandrosoana tsy niainga avy amin’ny filan’ny vahoaka ifotony, sy tsy nierana taminy, dia tsy hampisy fiantraikany be amin’ny firenena. Porofo iray amin’izany, ny firehan-kevitra nampidirin’i Didier Ratsiraka tany amin’ny taona 1975. Niaraha-nahita tsara ny fiainam-pirenena tao anatin’ny sosialisma sy ny vokany taty aoriana. Tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka no noterena nampidirina teto, hany ka tsy tafavoaka. Ny tetikasa hanandratana an’i Madagasikara, dia misy teboka lehibe iniana ikimpiana na dinganina tsotra izao, ary tsy mba nakana na kely aza ny hevitry ny vahoaka ifotony. Efa nosoratana teto ireny lesoka ataon’izao fitondrana ankehitriny ireny izao amin’ny fomba fiasany, mihevitra hanandratra an’i Madagasikara, ary nambara fa tsy ho tafavoaka mihitsy. Fitondra mihevitra ho mahay noho ny mpitondra any amin’ny firenen-kafa efa misandratra, na an-dalam-pisandratana ny eto amin’ny firenena, ka manao lalan-kafa miavaka na miala lalana amin’ny nampisandratra azy ireo. Ilay fototra banga amin’ny paik’adiny mihitsy anefa no manahirana ny saina, ary tsy mihevitra mihitsy ny hanarina izany izy.

Ho an’ny mpandinika, dia hitondra ny vahoaka hihodinkodina fotsiny toy ny zanak’Israely, fa tsy hahalasa lavitra na hanandratra azy ny fitondrana amin’izao fomba fiasany izao. Fahavoazana sy fahantrana mandrakariva ny vokatr’izany.