EDITO 16 Janoary – Fitondrana Rajoelina : toa mpitsabo ao aorian’ny fahafatesana hatrany

Sôh’son

N’inona n’inona ambaran’ny fitondrana, dia tsy mahafehy ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka malagasy izy. Nataony nahita ny tsy fahitany ny vahoaka amin’ny vidim-bary, izay tsy nisy vidiny nidangana toy izao. Ary ilay tena lesoka, dia ilay vary gasy mampiavaka ny sakafo malagasy mihitsy no tena midangana ny vidiny. Tsy mbola nisy an’izany 800 Ar hatramin’ny 1000 Ar izany ny kapoaka, ary tonga mananika hatrany amin’ny 3000 Ar ny kg teto amin’ity firenena ity.

Miavaka tokoa miohatra amin’ny fitondrana rehetra hatramin’izay ity fitondrana ity ary manao ny tsy nataon’ny teo aloha. Ity fitondrana ity dia mby amin’ilay fitenenana adika malalaka hoe “ Mpitsabo aorian’ny fahafahatesana”. Efa omby loha ny rovitra vao mikoropaka, fa fony mbola omby tondro tsy taitra. Tsy mifanaraka amin’ny toe-tsaina sy fomba fiasana tena mpitondra marina anefa izany. Ho an’ny tena mpitondra mahay mitondra ny fireneny dia mahay mijery izay mety hiseho ary misoroka ny olana mety hipoitra amin’ny ho avy eo anivon’ny firenena tantaniny, “gouverner, c’est prévoir”. Tsy natao ho mpitondra ny tsy manana an’izany toe-tsaina izany, fa litanian’ny mpitondra izany.

Tsy tokony hiseho intsony eto amin’ny firenena ity, raha tena mpitondra manao ny asany tokoa, ireny hetsika fitokonana etsy sy eroa ireny mitaky ny zavatra tsy azony na ny manjo azy. Mahavariana fa miverimberina mandrakariva, ohatra, ny hetsiky ny mpianatra eny amin’ny Oniversité na ambaratonga ambony, ny mpiasa samihafa toy ny ao amin’ny orinasa kraoma, hatramin’izao efa andro maromaro izay ny fitakiana ataon’ireo mpiasam-panjakana misahana ny asa na ireo inspektora; ny an’ny mpitsabo mpanampy na paramed efa ela izay fitarainana izay, fa tsy hita izay valiny araka ny nambaran’izy ireo, ny adidy sy andraikitra eto amin’ny firenena miatrika ny fihanaky valanaretina anefa tsy maintsy atao. Santionany ihany ireo mitranga eo anivom-piarahamonina ireo.

Ny mahavariana amin’ity fitondrana ity, dia tsy ilay tena andrasan’ny vahoaka maika no ifotorana mafy, fa zavatra hafa. Vokany, lasa misy vahoaka mandao na mitsoa-ponenana mifindra monina eto amin’ny firenena. Ary tsy vitsy io fa aman-jatony maro satria tsy azo iainana intsony ny tany fonenan’izy sy ny razany hatramin’izay. Tsy mbola fahita hatramin’izay izany, fa mafy ho an’ny Malagasy ny mandao ny tanindrazany izany, fa voatery sy tsy fidiny aminy. Tsy mba nifotorana mantsy izany raha vao nandray ny fitondrana, ary tsy mba novinaina mialoha hoe mety hiseho. Mariky ny tsy fahafehezina fitantanana firenena izany. Ary ny manahirana ny sain’ny mpandinika maro, dia ny fahadisoana sy ny tsy fahombiazana ailika hatrany any amin’ny hafa.