EDITO 14 Janoary – Miditra taona faha-3 nitondrana firenena – Miha-maizin-kitroka ny lalan-kizoran’ny firenena sy Rajoelina

Sôh’son

Tsy hita intsony izay handraisana ny fandehanan’ny raharaha eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Olana etsy, zava-manahirana eroa; zava-milamina kely vao tsy ela indro indray misambadidaka tato ho ato; ny zavatra tsy hita nilamina hatramin’izay mbola mitohy ihany amin’izao fotoana izao, sns… Mazava loatra, fa misy tsy fahaizana mitantana firenena ao.

Miditra amin’ny telo taona nitantanana firenena ny fitondrana Rajoelina, izany no zava-misy eto iainan’ny vahoaka Malagasy. Ilay vahoaka Malagasy nampanantenaina volana an-tenda amin-java- mampanonofy azy. Toa mampanahy anefa ny ho avy ary zary maizin-kitroka aza. Midangana tsy mitsahatra ny vidim-piainana, tsy misy fanantenana ny iverenan’ny asa very sy ny fihariana mbamin’ny fivelomana potika. Toa tsy mampandrimandry saina ny amin’ity fihanaky ny valanaretina ity ary toa mieloelo ratsy izany ny “raho-mitatao”. Manampy trotraka ny hafanambe, ny tsy fahampian-drano sy ny faharitran’ny rano na an-drenirano sy loharano na an-dava-drano. Mety hisy fiantraikany any amin’ny seha-pambolem-bary amin’ity taona ity izany rehetra izany.

Mazava loatra, tsy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy ny fitanisana hantanterahana fotodrafitr’asa amin’ity taona ity. Ny mahamaika azy, dia ny famahana olana maika ny amin’ny zava-manjo azy amin’izao fotoana izao eo amin’ny andavanandrom-piainany. Kely endaka amin’izany anefa ity fitondrana Rajoelina ity raha ny fahitana ny zava-misy tao anatin’izay krizy ara-pahasalamana izay. Manaporofo izay, tsy ny vahoaka Malagasy manontolo no vitany ny nitsinjo azy, fa ampahany nosingantsinganina sy nofantimpantenana teny anivom-piarahamonina. Nisy ireo voailika sy natao anjorom-bala hatramin’izao. Mbola manamafy izay hakely endaky ny fitondrana izay, ny tsy fahafehezany ny fanaraha-maso sy fitantanana ny harem-pirenena. Nahatalanjona ny vahoaka ny amin’ity fivoahan’ny volamena Malagasy 73,5kg ity, ka itarafana ny fisian’ny gaboraraka eto amin’ny firenena.

Raha bangoina, tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy ny zava-misy eo amin’ny fitantanam-pirenena amin’izao fotoana izao. Zary toa nivily làlana mankany amin’ny mikitoantoana fa tsy hisosa ny firenena. Mby amin’ilay fitenenana ve izany izao ny zava-misy hoe” ny nantenain-kanirina ity no toa mampivandravandra”. Natao hanàla ny fahantrana sy nidehaka ho hahavita izany, kanefa niha-nitombo ny tahan’ny fahantrana.