Raharaha volamena 73,5kg – Miverina indray ny anaran’i Mamy Ravatomanga

Ny Valosoa

Manonja ny toe-draharahara ankehitriny. Vaky bantsilana ny resaka ao amin’ny fandaharana Miara-manonja.

Fehezin’olona miara-miasa akaiky ny filoham-pirenena ny ministera maro, toy ny Fitsaràna sy ny Harena an-kibon’ny Tany. Tsangan’olona fotsiny ny ministra fa ireo rehetra olona tomponandraikitra ambony rehetra tendrena ao amin’ny ministera toy ny Directeur Général, Sécrétaire Général, Procureur Général dia voafehin’ny akaman’ny filoha efa re anarana matetika, dia i Mamy Ravatomanga.

Raharaha maro no efa naha-voarohirohy an’ity akaman’ny filoha ity, kanefa dia tsy voakitikitika mihitsy fa vao maika aza manapatra fahefana. Miverina indray izao ny anarany amin’ny raharaha fanondrana volamena 73,5kg antsokosoko. Ka ho voakitika ve ity akaman’ny filohampirenena ity amin’ity indray mitoraka ity sa ho tsy maty manota toy ny mahazatra?

Ho sahy ve ny filohampirenena Andry Rajoelina hampihatra ny teny nambarany nandritra ny filankevitry ny ministra fa hoe na olona anaty fianakaviany na mpiara-miasa aminy akaiky, rehefa meloka dia meloka ary samborina?

(Miara-manonja 11-01-2021, https://youtu.be/rjRRVM1AruE?t=5220)