Fiakaran’ny vidim-piainana – Tsy hita tabilao hatreto ilay vary 550 ariary ny kapoaka

Helisoa

Tsy hita mihintsy izay fandraisan’andraikitry ny mpitondra ankehitriny manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Mikaikaika avokoa ny tokantrano Malagasy satria tsy takatry ny fahefa-mividy intsony io vidim-piainana io, indrindra ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy.

Sinema no nataon’ny minisitry ny varotra sy ny indostria mody nandeha nijery ny vidim-bary teny an-tsena, ka dia natsipiny tany amin’ny mpambongady indray ny rihitra, fa hoe manararaotra izy ireo mampiakatra ny vidin’entana. Tao anatin’izany, nisy ny fanambaran’ny fitondrana foibe fa tokony tsy hihoatra ny 550 ariary ny hividianan’ny mpanjifa ny vary iray kapoaka. Hatramin’izao anefa mbola tsy midina amin’izany fepetra napetraky ny fanjakàna izany io vidim-bary io, ny stock efa ratsy aza mbola 610 ariary ny vidin’ny iray kapoaka.

Tsy laharam-pahamehana ho an’ity fitondrana ity mihintsy ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka ankehitriny. Ny fanondranana ny harem-pirenena no vaindohan-draharahany, ary vao hita nibaribary izany tamin’ny fanondranana volamena 73, 7kg tratra tany Afrika Atsimo. Eo koa ny fampiderana fotodrafitr’asa tsy mifanaraka amin’ny filan’ny mponina akory. Resaka bizina sisa no mahamaika, koa mandrampahoviana izy ireo no hanabado ny vahoaka toy izany foana ?