EDITO 12 Janoary – Taona 2021, miha-sarotra ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Tsy misy izay tsy mikaikaika tato ho ato ny sarambabem-bahoaka amin’ny andavanandrom-piainana, mahita ny fihazakazaky ny vidim-bary. Ny vary gasy tonga hatrany amin’ny 2800 Ar ny kilao, ary ny kapoaka 800 Ar. Tsy mbola nisy an’izany vidim-bary izany hatramin’izay ela izay. Mahita ny maizina ny vahoaka, satria ny foto-tsakafony sy ny maha izy azy mihitsy ity no lasibatra amin’ny tsy fahaizana mifehy ny famokarana, sy ny famatsiana eto amin’ny firenena.

Miharihary fa zary resabe ny teny natao nampandriana adrisa ny amin’ny hamokaram-bary be ato anatin’izao fotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina izao ary nambara fa hanondrana any ivelany mihitsy aza. Tsy vitan’ny vavabe fandresen-dahatra ny vahoaka sy handresena ny mpifanandrina politika fotsiny io. Manaporofo izany ny zava-misy ankehitriny. Raha toa ka asa no natao fa tsy kabary toy izany, dia efa niha-hita soritra na kely ihany aza ny fanatanterahana izany tetikasa izany. Aty amin’ny fahatelo taona niasàna ve vao milaza sy miantsoantso, fa hanao asa ary ho taonan’ny asa ity taona ity?

Ny kajikajy politika hatrany no nimatimatesana mialoha ny hanao asa hatreto, raha ny hita sy fantatra. Hany ka izao no vokany, mitondra faisana ny vahoaka. Na inona na inona vahaolana entin’ny fitondrana, toy ny nilazana fa nisy ny fanafarana vary avy any ivelany, ka hihazonana ny vidim-bary tsy hihoatra ny 1500 Ar, dia efa nisy fiantraikany mafy tany amin’ny isan-tokantrano sy ny ati-vilaniny, na ny teny am-bilian’ny isam-pianakaviana izany. Misy fiantraikany, mazava loatra, any amin’ny tanjaka ara-batana sy fahasalamany izany, eny hatramin’ny asa fihariana na famokarana ataony aza.

Fa etsy ankilan’izany, tsikaritra fa misy sokajin’olom-bitsy karakarain’ny fanjakana manokana. Araka ny resaka mandeha, dia mitohy mangingina ny tosika fameno, ka misy ny fanohanana ara-tsosialy azy ireo amin’ny alalan’ny vola fanome azy tao anatin’ireny krizy ara-pahasalamana lalina, sy fahasahiranana ireny, ary asaina maka na manjifa entana amin’ny toerana iray eto an-drenivohitra. Tsikaritra nisy filaharana vao maraina nataon’izy ireo teny anoloan’ny toeram-pivarotana an’ny vahiny. Mahasarika ny sain’ny mpandinika izany, fa misy ve eto izany anaovana fitondra-mitanila hatrany? Ary inona no andrasana amin’ireo sokajin’olona ireo sy ny tiana hahatongavana? Sarotra ny tsy hihevitra, fa tsy maintsy misy kajikajy politika hatrany ao ambadik’izany. Tsy mbola afaka tamin’ny fahasahiranana vokatry ny fihanaky ny valanaretina ny sarambabem-bahoaka mandraka ankehitriny. Nambara, fa tsy mitsahatra ny fidangan’ny sondro-bidim-piainana, anisan’izany ny sakafo fanjifa andavanandro. Izany hoe, miha-sahirana sy miha-mahantra ny vahoaka. Ny ampahany kely amin’izany anefa no tohanan’izao fitondrana izao.

Vao miandoha ny taona, dia miatrika fitomboan’ny fahasahiranam-piainana ny sarambabem-bahoaka. Vahaolana miangatra no atolotry ny fitondrana, ary ny maro adino tsy ao anaty lisitra na kajy. Sarotra ny hihevitra ny hiovan’izany fiainam-bahoaka izany hatramin’ny faran’ny taona.