EDITO 5 Janoary – Tsy hisy fampandrosoana eto raha tsy miova ny fomba fiasa sy toe-tsain’ny mpitondra

Sôh’son

Na inona inona fikasana hanatanteraka asa fampivoarana ny firenena, rehefa ny fositra mihitsy no tsy nosorohina hialàna, dia handrorona hatrany toy izay taona roa izay ny hitranga.

Fony mbola tany amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra no efa nahenoina tetikasa vaventy mipoapoaka nataon’i Andry Rajoelina. Nanaovana fihetsiketsehana be hatrany Paris-Frantsa izany, ary nisehoana teo anoloan’ny vazahabe maro sy mpianatra malagasy, fa ho vitany ao anaty fotoana fohy ny « fanandratana » an’i Madagasikara. Ny fieboeboana tao anatin’izany tsy hay lazaina intsony. Ny fanabatiana ireo filoha teo aloha, indrindra ny filoha Ravalomanana tamin’izany teo amin’ny fotoanan’ny fifanatrehan’ny roa tonta farany, nampitampim-bava ny olon-kendry mihitsy. Vao mainka niha-nanaovana resabe ny filazana tetikasa goavana hampandrosoana ny firenena rehefa nandray ny fitondrana ny tenany. Niaraha-nahita anefa ny zava-nisy tao anatin’izay roa taona izay.

Tsy nahita fihatsarana mangirana tamin’ny fiainany ny vahoaka ary vao mainka aza niha-maizin-kitrona ny hoavy hoan’ny sarambabem-bahoaka. Ny fositra, ilay fomba fiasa sy toe-tsaina entina manatanteraka asa mihitsy no tsy mahomby. Raiki-tampisaka tamin’ny fitondrana Rajoelina ny fanaovana kajikajy politika alohan’ny rehetra. Efa nosoritan’ny maro mihitsy, fa mbola ao anaty fotoanan’ny fampielezan-kevitra hatrany Rajoelina isaky ny mitety toerana na tanàna sy faritra samihafa. Niaraha-nahita rahateo izany hatrany amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny covid-19. Tsy nivakiany loha na kely aza ny fanakianana tamin’izany na dia hita izao fa miabo aza izany, fa lafy ratsy indray no nandraisany azy, toy ny hoe fanaratsiana sy fanenjehana. Hadisoan-kevitra bevava izany ary tena hateren-tsaina mpitondra.

Zava-droa loha no singanina raha ny fomba fiasa tsy mahomby nokianin’ny maro, ankoatra ny mpanohitra: ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana mba hahatratrarana ny tanjona tiana hahatongavana sy ny fitanilàna amin’ny fitsinjovana vahoaka. Ity farany dia tena nampitondra “takaitra” ny maro mandraka ankehitriny. Niseho ho nanao hetsika fanampiana ny vahoaka ara-tsosialy ny fitondrana Rajoelina kanefa tsy nahavita akory ny fanampiana ny Malagasy tsivakivolo. Nisehosehoana be sy nanaovana vely vilany mihitsy ny zavatra natao kanefa etsy ankilany misy ampahana vahoaka manjoretra mitomany mangina fa nailika. Raha mbola tena mahatsiaro ho mpitondra marina ny firenena, tsy mahavita minia mikimpy amin’izany toe-javatra izany. Nilaozan’Andrianampoinimerina lavitra amin’ny fitantanana vahoaka fa aza miseho ho babany. Io anefa olona tsy nianatra akory na nahafantatra teknolojia môderina avo lenta toy ny ankehitriny.

Mby tamin’ny fitenenana hoe « ny tarehy mampody mandry fa ny toetra mampiverin’ilàlana » ny zava-nisy. Hain’ity fitondrana ity mihitsy ny manao zavatra na hetsika mirentirenty toy ireny tamin’ny faran’ny taona ireny hanakonana ny “tarehy ratsiny”. Izay voafitak’izany dia mihevitra fa tena tsara ity fitondrana ity. Tsy izany anefa, mahalaza azy ny oha-pitenenana. Ireny zavatra nataony ireny dia hanakonan-javatra ihany. Koa raha tsy miova mihitsy ny fomba fiasa sy toe-tsain’izao mpitondra izao, dia ho resabe ihany izay nolazaina rehetra hampandrosoana ity firenena ity, fa tsy hisy vahoaka ho tsara fari-piainana sy hiadana izany eto na oviana na oviana, na hamita fe-potoana hiasana fanindroany aza Rajoelina sy ny forongony, izay heverina fa tsy hisy intsony izany. Ireo olona nifidy azy aza ankehitriny efa nanenina avokoa ny ankamaroany noho ny tsy fahaizany, sy ny lainga lava hafafiny.