NY VOLOMBOASARY SY NY VIDIM-BARY

Nivory indray, hono, ny volomboasary
Fa hoe tena hoferana ny vidim-bary.
Dia gaga sy zendana ny olon-drehetra,
Amin’ity paikady mifono amboletra.

F’angaha tsy ao anatin’ny fanalalahana
No inona indray ity fitsabatsabahana?
Sa taitra tampoka dia nisavoana
Ka tena efa mila hampiteny ny moana?

Variana nandany, variana niliba.
Ny harin-karena efa lasa miiba,
Vao mihetsika mafy manova fitàna,
Mba hoenti-manonitra ireo hadalana?

Tsy manao kajy ianareo mianakavy?
Tsy nanao tahiry itsinjovana ny hoavy,
Ka efa tsy takatra ny vidim-bary
Vao mihetsika, mody mandre maharary?

Raha toa ny mpanjifa no anontaniana,
Dia tokana ihany no mba faniriana:
Ny vary nohafaranareo fanjakana
No ‘ndeha amidio sy hamenoy ny tanàna.

Dia hidina ho azy ny vidin’ny vary.
Tsy mila izay “kobaka” na koa “kabary”
F’izay no lalàna mandrindra ny varotra,
Hoentina miatrika ny olana sarotra!

Ny iray kapoaka, jereo tato ho ato,
Fa tsisy mba latsaky ny eninjato,
Ka mieritrereta ry volomboasary
Fa sao ny anareo efa loko fanary!

TSIMIMALO (11-12-20)